Alahady 30 Septambra 2018.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 8.14-29

1-Narahina ny tetikadin’ny Tompo

Hitantsika  eo amin’ ny and 14-17 izany . Izay natoron’ny Tompo  no nitarihan’i Josoa ny  olona .Niseho tokoa izay nampiomanin’ny Tompo : nivoaka hanenjika  azy ireo ny tao Ay sy Betela . Marina  sy azo itokiana ny Tenin’ny Tompo ary tsy misy diso ny zavatra nambarany . Aoka hiorina  ao am-pontsika izany  fahamarinana izany .

2-Narahina ny fandaminan’ny Tompo  

Rehefa tonga ny  fotoana dia ny Tompo ihany no nanome ny baiko hoe : « atondroy an’i Ay ny lefona »(and18) . Nataon’i Josoa  izany dia nisosa  ny zavatra rehetra ary azo ny fandresena tanteraka. Zava-dehibe io fiandrasany fotoanan’ny Tompo io , fa indraindray isika tsy miandry baiko fa tonga dia lasa .

Zava-dehibe koa ny fihainoany ny  Tompo . Ankehitriny dia ny Soratra masina  no fanilon’ny tongontsika sy fanazavana ny làlantsika (Sal 119.105). Raha manaiky hamaky sy handinika ary hanaraka  ny voasoratra isika dia hohitantsika ny fandresena . Ny mampalahelo  dia izao : be ady atrehina isika , fa mazàna no tsy vonona hanaraka  ny Tenin’ Andriamanitra , ka resy. Mpitari-tafika tena mahay azontsika itokiana feno anefa ny Tompo .

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Sabotsy 29 Septambra 2018.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

JOSOA 8.1-13

1-Fiaingana vaovao , toromarika vaovao

An’ny Tompo ny adin’ny fiangonany . Izy  no mampahery sy manoro ny tetikady harahina (and 1-2). Niova koa ny  fepetra ka navelan’ny Tompo halaina  ho babo ny fananana sy ny biby fiompy rehetra. Midika izany fa masi-mandidy tanteraka ny Tompo ary afa-manova izay tiany ovaina Izy . Ny hany  takina amintsika dia izao ihany : mankato  tsy misy adihevitra ny didiny.

2-Paikady vaovao , fanazavana vaovao

Tsy maintsy nanazava tamin’ ny antsipirihany  ny paikadin’ny Tompo i Josoa . Ary nilaina izany  mba hazava tsara  amin’ny mpanafika rehetra ny tsy maintsy hatao. Ny mpitarika tsara rehetra dia tsy maintsy misahirana , manome toromarika mazava ho an’ny olona tarihina  ny  amin’ny sitrapon’ Andriamanitra tsy maintsy arahina . Marina amin’ny firenena izany eto, fa marina amin’ny fiangonana sy ny fikambanana rehetra koa .

3-Ady vaovao , firotsahana vaovao

Nisy tamin’ny mpanafika nampandehanin’i Josoa (and9), nisy koa niaraka taminy (and11). Tsy mpibaiko ambony latabatra fotsiny i Josoa fa tena nirotsaka an-tsehatra sy nandamina ny olona(and10). Izany no mpitarika tsara : tsy lasan-ko vavany fotsiny ary mahay mandamina araka ny tenin’ny olon-kendry hoe : « Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady » (Oha 24.6)

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra

Hafatry ny Filoha / Sept 2018.


VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa raha ny zava-misy mantsy,

Misy olona famantsy,

Fetsy ratsy lozan-tany

Any ananonanona any,

Ary maro ireny, indrisy,

Eny, maro fa tsy vitsy:

Mirangorango fahefana,

Hahafahana mitana

Toerana avo ireharehana

Sy hanaovana hadalana,

Hanangonana harena

Amin’ny fomba mahonena,

Ambotriana firenena.

Ka tsy misy izay jerena,

Na fihavanana, na rariny,

Fa ny vola sy ny tariny

No hany zava-misy lanjany.

Ary dia ahanjahanjany

Sy tsy mahamenatra azy,

Tsy atahorany izay sazy,

Ny fanaovana an’izany.

Dia ny vokany, jereo:

Ny firenena, mitoreo!

Ka raha tiana ny ho afaka

Tena hiala avy ao an-davaka:

Mila olona mivavaka!

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA!

IRAKO Andriamahazosoa  AMMI , Mpitandrina 

Filohan’ny FJKM

 

 

Zoma 28 Septambra 2018.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 7.16-26

1-Raikitra tokoa ilay fitsarana lehibe

Tonga tokoa ilay fotoana mampihorohoro (and 16-23) : natao ny fitsarana ampahibemaso , ka tratra teo i Akana ary nibaboka . Mampalahelo  fa teo izy vao nahalala nibaboka . Indraindray tokoa raha tsy  vaky barara ny ratsy nataontsika , tsy mety hiaiky isika . Tena toetra ratsy anefa izany. Nafeniny tao ambanin’ny tany ireo zava-boaozona , saingy tsarovy fa tsy misy takona izay tsy ho hita , na miafina izay tsy haseho(Mar 4.22)

2-Nihatra ny famongorana

Tsy  maintsy natao izany  satria marina mandrakariva « fa fahafatesana no tambin’ny ota »Rom 6.23 ; Ary  raha tsy izany , tsy  nionona  ny fahatezeran’ny Tompo (and26). Izany no fahamasinan ’Andriamanitra tsy mahazaka fahotana , ka na i Jesoa  zanany lahitokana aza  dia natao ho ota hamonjy antsika (2 Kor 5.21) dia tsy maintsy maty Izy.

Ny mampalahelo manokana eto dia ireo zanany lahy sy zanany vavy niaraka nofongorana tamin’i Akana koa. Soa fa misy teny fikasana hoe : « Amin’izany andro izany izy dia tsy hanao intsony hoe :ny ray no nihinana voaloboka marikivy ka ny nifin’ny zanany  no madilo . Fa ny olona rehetra samy ho fatin’ny helony avy . Izay rehetra homana voaloboka marikivy dia izy ihany no hadilo nify » (Jer 31.29-30).

Ho an’Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Alakamisy 27 Septambra 2018.

Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 7.1-15

1-Nandika ny didy dia namela tantara ratsy(and1)

Nampalahelo fa na dia mazava aza ny didy navoakan’i Josoa hoe:atokana ho an’ny Tompo ny volamena sy ny volafotsy sy varahina ary ny vy rehetra dia mbola nandika izany ihany i Akana . Voatonona anarana mazava izy sy ny fianakaviany ary namela tantara ratsy izy mianakavy. Aza mba ho izany anie no ho amintsika sy ny fianakaviantsika .

2-Nandika ny didy dia nitera-doza ho an’ny firenena manontolo (and2-5)

Mampalahelo fa tsy izy mianakavy ihany no voa , fa ny firenena manontolo mihitsy eto.Tsy maintsy misaina izany isika tsirairay fa mahatratra ny hafa koa ny vokatry ny fahotantsika sy ny ditran’ny fontsika . Jereo ohatra ny zanaky ny mpisotro toaka maro, dia ho hitanao ny fahamarinan’izany .

3-Nandika ny didy dia ho entina eo amin’ny fitsaran’ Andriamanitra (and6-15)

Ny Tompo no mpanjakan’Israely. Rehefa niseho ny faharesena dia ny niankohoka teo Aminy no nataon’i Josoa. Tena fianatra izany. Teo no nanomezan’ny Tompo saina azy ny amin’izay tokony hatao : hanokatra fitsarana lehibe izy ka eo no hahitana izay meloka.Tsarovy fa hotsaraina isika ny amin’izay nataontsika tany  amin’ny miafina rehetra, hatrao am-po mangina (1 Kor 4.5).

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .

Alarobia 25 Septambra 2018.


Fandalinana ny Bokin’i Josoa

JOSOA 6.15-27

1-Mankato dia mahomby

Nanaraka  ireo toromarika samihafa nandritra  ny 6 andro sy ireo fepetra manokana tamin’ity andro fahafito ity ny Zanak’Israely dia izao azo izao ny fandresena miezinezina . Ianao koa, tsarovy  fa ao amin’ny fankatoavana ny Tompo  no tsiambaratelon’ny fandresena eo amin’ny fiainana .

2-Mino dia voavonjy

Ny tantaran’ny tsy nandringanana  an-dRahaba janga  sy ny fianakaviany izay niverimberina amin’ireto and ireto (17,22,23,25) no mampianatra  antsika izany . Ny fandraisan-dRahaba janga  ireo iraka fony  nisafo tany dia noho ny FINOANY ka nahatafiditra azy ao amin’ny firazanan’ny Ran’i JESOA (Mat 1.5) .Ary tanteraka taminy  ny teny hoe : « Minoa an’i Jesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao »(Asa 16.31). Marina amiko sy aminao koa izany . Minoa dia ho voavonjy ianao.

3-Mandresy dia mitandrina

Miverimberina eto koa ny fampitandremana ny amin’ny zavatra voaozona  (and17,18,19,24,26) .Fakampanahy tsy mora resena  ho an’ny mpiady tamin’izany ny hoe :mamabo ianao, nefa tsy ho anao ny babo. Nohafatrafarana  mafy hitandrina  anefa  izy ireo . Isika koa , rehefa nandresy miaraka  amin’nyTompo ,ny fadintsika dia ny fahotana .Vakio  1 Mpanjaka 16.34.

Ho an’ Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra.

Talata 25 Septambra 2018.

 

Fandalinana ny Bokin’i Josoa 

JOSOA 5.13-15;6.1-14

Tena fampaherezana lehibe ho antsika izay  voatantara eto:

1-Hiatrika ady ka vangian’ny Tompo

Izany no hitantsika eo amin’ny Jos 5.13-15, mitohy amin’ny 6.2-5. Izany no fiainana kristiana  manomboka amin’ny fihaonana amin’ny Tompo , andraisana ny  heriny ny  fahamasinany ary ny tari-dàlana omeny  ny hetsika rehetra . Tsarovy izany amin’izay rehetra ataonao . Aza maimaika foana!

2-Nomena toro-làlana dia manaiky

i Josoa dia mpitarika faka tahaka . Izay toromarika nomen’ny Tompo azy dia nampitainy tamin’ny fomba mahatoky tamin’ireo olona notarihany mba hanaovana araka izay nandidiana azy (and 6-7). Ianao izay manana andraikitra !Mahatoky toy izany ve ianao ? Ianao izay tarihana , mivavaka ho an’ny  mitarika anao tahaka an’i Josoa ve ianao ?

3-Notarihana fa tsy mafy hatoka

Izany kosa no toetran’ny vahoaka eto. Mora nalamina izy ireo , satria nisy fisesiny tsy maintsy  nohajaina (and8-9) , nisy fepetra tsy maintsy notandremana dia ny fahanginana (and10), ary nisy faharetana tsy maintsy nananana (and14), fa dia  nanaiky , niaina ny fahendrena  tsara ny vahoaka. Enga anie ho  toy izany hatrany ny fiangonana sy ireo zanaka tarihan’ny raiamandreny kristiana handeha hivavaka .

Ho an’ Andriamatra irery ny Voninahitra

 

Alatsinainy 24 Septambra 2018.

Fandalinana ny Bokin’i JOSOA.

JOSOA 5.1-12

Takila vaovao eo amin’ny tantaran’ny firenena voafidy no misokatra eto anatrehantsika eto :

GILGALA , izay  midika hoe:‘fanakodiavana » no natao anaran’ny toerana voalohany  nidiran’ny Zanak’ Israely tao  amin’ny tany Kanana , araka ny Tenin’ny Tompo  eo amin’ny and 9. Dikany : Nandresy ny Tompo  sy ny Fiangonany , na toa ela aza vao tonga . Mahareta!

-Nitsahatra ny  MANA, izay  sakafon’ny zanak’ Israely tany anefitra , fa nanomboka nihinana voalohany ny vokatry ny tany Kanana izy ireo  ny ampitson’ny Paska voalohany  nankalazainy tao Kanana. Dia tsaroantsika amin’izany ny santatr’izay nosoratan’i Paoly aty aoriana hoe: »efa lasa ny zavatra taloha , indreo efa tonga vaovao ireo »(2 Kor 5.17). Efa marina aminao tokoa ve izany ?

2-Fanekena vaovao

Ny famorana araka ny nanorenan’ny Tompo azy(Gen 17.10)dia mariky ny fanekeny .Izao famorana faobe natao tamin’ny taranaka vaovao izao no  mariky ny fanavaozam-panekena eo  amin’ny Tompo sy ity taranaka ity.Ho antsika dia i Jesoa no nentin’ Andriamanitra nanavao  izany fanekena izany , raha hoy Izy teo  amin’ny fanorenana ny Fanasan’ny Tompo hoe: »Ity kapoaka ity no fanekena vaovao amin’ny Rako »(Lio 22.20). Ianao izay Mpandray,vita fanekena marina Aminy ve ianao?

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra .