Hafatry ny Filoha / Jolay 2018.

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Dia mifampahery isika

Satria tsy mora akory ny asa.

Ary, na dia taona maro

Aza no efa nitoriana,

Mbola be dia be no miandry!

Fa samy mbola tena mila

Hitondrana ny fanasin’

Ito filazantsara

Avokoa ny zava-maro,

Ka santionany am’izany:

Ny tontolo politika

Ifandroritan’olo-ngeza

Samy maika hiady seza,

Ka ny hanasoa vahoaka,

Kabary izany ka kabary,

An-tendro-molotra d’izay,

Tsisy latsaka ao am-po!

Ny tontolon-toe-karena

Ifanjevoan’ny tombontsoa

Amin’ireo izay mpanam-bola

Teratany sy vahiny,

Ka ny vola no andriamanitra

Ivavahana, tompoina.

Ny tontolom-pitsarana,

Ny fanabeazana, ny asa,

Ny fitsaboana, sy ny sisa.

Samy miandry antsika ireny

Ka herezo, ry sakaiza:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY  NOSY MADAGASIKARA!

IRAKO AMMI

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Dia mifampahery isika

Satria tsy mora akory ny asa.

Ary, na dia taona maro

Aza no efa nitoriana,

Mbola be dia be no miandry!

Fa samy mbola tena mila

Hitondrana ny fanasin’

Ito filazantsara

Avokoa ny zava-maro,

Ka santionany am’izany:

Ny tontolo politika

Ifandroritan’olo-ngeza

Samy maika hiady seza,

Ka ny hanasoa vahoaka,

Kabary izany ka kabary,

An-tendro-molotra d’izay,

Tsisy latsaka ao am-po!

Ny tontolon-toe-karena

Ifanjevoan’ny tombontsoa

Amin’ireo izay mpanam-bola

Teratany sy vahiny,

Ka ny vola no andriamanitra

Ivavahana, tompoina.

Ny tontolom-pitsarana,

Ny fanabeazana, ny asa,

Ny fitsaboana, sy ny sisa.

Samy miandry antsika ireny

Ka herezo, ry sakaiza:

VONTOSY FILAZANTSARA

NY  NOSY MADAGASIKARA!

IRAKO Andriamahazosoa Ammi , Mpitandrina 

Filohan’ny FJKM

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV