Zoma 18 mey 2018

Maneke hohavaozin’ny  Fanahy  Masina 

Jaona 4, 19-24

« Andriamanitra dia Fanahy, ary izay mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny Fanahy » (and.24)

NY FIVAVAHANA AMIN’ANDRIAMANITRA

1- Fivavahana amin’nv toerana rehetra.
Manerana ny toerana rehetra Andriamanitra, satria Fanahy Izy. Nandresy lahatra ilay vehivavy Samaritana momba izany i Jesoa. Nihevitra ny Samaritana fa tao amin’ny tendrombohitr’i Gerizima izay toeram-pivavahan-dry zareo ihany no tena izy, ary saro-piaro tamin’izany ny Samaritana. Namaly azy i Jesoa fa ho avy ny andro ka sady tsy eo amin’ilay tendrombohitra, no tsy any Jerosalema izany, satria hirahina ny Fanahy. ary Andriamanitra dia Fanahy ka manerana ny toerana rehetra. Izany no tsy anaovantsika kristiana fivahiniana masina any Jerosalema, na dia nateraka ho Jiosy aza i Jesoa. Azo atao toeram-pivavahana ny toerana rehetra. satria « Andriamanitra dia Fanahy ».

2-Fivavahana omban’ny fitarihan’nv Fanahy
«. ..Izay mivavaka Aminy dia tsy maintsy mivavaka amin’ny Fanahy…» Ny hevitra iray fonosin’izany dia hoe : Izay mivavaka amin’Andriamanitra Fanahy dia mivavaka amin’ny fitarihan’ny Fanahy. Ny fivavahana sy vavaka tsy eo ambany fitarihan’nv Fanahy dia zary fivavahana ara-pomba ihany ; vavaka isehoana sy am-pahazarana ka mety mivaona amin’ny tsy izy, na ho vavaka vonjy tavan’andro ka fidifidiana ho amin’ny fotoana miavaka ihany no mandeha miangona : Batisan’ny fianakaviana, inariazy, Krismasy sy ny andro miavaka. Raha mbola izany no fanaontsika dia miovà, fa tsy maintsy mivavaka araka ny fitarihan’nv Fanahy isika.

Fanontantana :
Moa takatrao ve ny atao hoe : mivavaka amin ‘ny Fanahy ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 17 Mey 2018

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Efesiana 4 : 1-6

Mampiray ny mpino ny Fanahy Masina

Malaza eo amintsika Protestanta ny fiteny hoe : firaisana sy fiombonana ao anatin’ny fahasamihafana. Tsy tanteraka izany raha tsy noho ny asan’ny Fanahy Masina.

1-Taomina hitandrina izany ny mpino.

Any am-pigadrana i Paoly Apostoly no manoratra ity taratasy ity ho an’ny Fiangonana. Mananatra sy mitaona ary miangavy ny mpino tao Efesosy izy mba hitandrina ary hanetry tena, halemy fanahy ary hifandefitra amin’ny fitiavana. Izany no anehoana ny fiombonan’ny mpino sy ny maha iray antsika. Asan’ny Fanahy no miteraka izany. Tsy azontsika hatao ny hiziriziry hampiseho ny « maha isika antsika ». Misakana ny asan’ny Fanahy Masina ny fitenintsika matetika hoe: « Izay no maha izaho ahy! ». Tandremo ny toetrantsika mba tsy handrava ny fiombonana, na hampisy elanelana, na hanangana efitra mampisaraka, fa tsy asan’ny Fanahy Masina izany.

2-Taomina hanana zotom-po hitana ny firaisana ny mpino.

Ny and. 3-6 amin’ity mofonaina ity dia teny fandresendahatra mba handrosoan’ny firaisana sy ny fiombonana eo amin’ny fiainan’ny mpino. Aoka isika tsy hionona amin’ny hoe :  tsy manohitra ny fiombonana, fa mazotoa, aza kamokamo na tsy harisika hiasa ho aamin’ny firaisana. Atombohy ao am-piangonana izany mba ho mafy orina entitsika mamitrana fihavanana sy ny firaisam-pirenena efa mivahavaha ao amin’ny fiarahamonina. Mila ezaka sy asa avy amintsika izany, koa asehoy ny tenanao ho « mazoto mitana ny firaisana ».

Fanontaniana: Inona no tena maha iray antsika mpino. Ary ahoana no ijoroantsika vavolombelon’ny firaisana?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alarobia 16 Mey 2018

Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina 

Fitomaniana 5:19-22

Ny mpino manao vavaka fibebahana

Toloko sy fitarainan’ny vahoakan’Andriamanitra babo tany Babylona ny Fitomaniana. Vavaka fitalahoana mamarana ny bokin’ny fitomaniana ity Mofon’aina anio ity ary vavaka fibebahana, ka ilay mpino rehefa mivavaka dia :

1-Mahatsapa ny fahamarinan’ny Tompo
Eo amin’ny andininy 19 dia mazava ny filazan’ilay mpivavaka momban’ny toetran’Andriamanitra : Tsy miova Izy fa Andriamanitra azo antoka. Marina sy tsy miova fitiavana ny Tompo, ka izany no ahasahiantsika manonona vavaka fifonana sy fibebahana eo anatrehany. Ny fahamarinany no manosika Azy hamindra fo sy hiantra (vakio Sal. 145:17). Marina ny Tompo ka tsy mitsahatra fa mikaro-kevitra hatrany hamonjena antsika. Izany no antony nanomezany antsika ny Zanany sy ny Fanahy Masina. Koa tsarovy io toetran’Andriamanitra io rehefa manao vavaka fitarainana noho ny fahoriana mianjady aminao ianao.

2. Mampahatsiaro ny maha olom-boafidy azy.
Eo amin’ny and.20 indray dia sahy mampiharihary ny maha olom-boafidy azy ilay mpivavaka. Ny voafidin’Andriamanitra mantsy tsy mba ariany, satria mpanompony (Isa. 41:9). Izany ahasahiany manontany hoe : « Ahoana no dia anadinoanao anay mandrakizay? » Toky sy fanantenana ho an’ny mpino izany, satria olom-boafidy isika. Tsy manary antsika ny Tompo, ary izany no nanirahan’i Jesoa ny Fanahy Masina ho aty amintsika, mba tsy hahatonga antsika ho toy ny kamboty (Jao.14:18). Koa manàna fahasahiana mba hampahatsiaro an’Andriamanitra izany maha olom-boafidy anao izany.

Fanontaniana
Inona no tokony holazaina ankoatra ireo, araka ny andininy 21-22, rehefa mivavaka ka mitaraina sy mitoloko?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

FJKM Ankadimbahoaka/ Voka-dehibe 2018.

ANTSO SY FILAZANA

Antsoina ny zanaky ny FJKM ANKADIMBAHOAKA mba ho tonga maro , hifanotrona sy handray anjara amin’ny voka-dehibe ny ALAHADY 20 Mey 2018, PENTEKOSTA amin’ny 8 ora sy sasany.
« Ary rehefa nilaza izany Izy dia nanisy fofonaina ka hoy Izy : »Raiso ny Fanahy Masina » Jaona 20.22

Talata 15 Mey 2018.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina 

Lioka 12.8-12

Ny fanekena an’i Jesoa Kristy

1-Ambarao eo  anatrehan’ny  olona 

Ilaina ny fahasahiana  hijoro  sy hanambara  ankarihary  ny fanekena an’i Jesoa Kristy  ho  Tompo sy Mpamonjy  ny tena.Voasoratra fa »raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary  mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty , dia hovonjena ianao » (Rom10.10). Araka izany dia zava-dehibe ny fanekena atao eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny fiangonana. Ilàna fahasahiana ny fijoroana vavolombelona ; Tsy  mifidy  toerana ,tsy  mifidy fotoana. Na eo imason’ny fahavalo sy ny hafa finoana aza  dia ilaina  ny  fijoroana  amin’izay  inoana. Aza menatra  ny  ho vavolombelon’ny  Tompontsika (2 Tim 1.8)

2-Aseho  amin’ny alalan’ny  fitondrantena isanandro

Na amin’ny fiteny , na amin’ny asa, fihetsika , fikasana, ny làlan-kizorana  dia samy  hanehoana ny fanekena an’i Jesoa Kristy : any am-piasana , any am-pianarana, eny an-tanimboly , eny am-pivarotana , eny  amin’ny fiaraha-monina  amin’ny  fiainana andavanandro  dia samy  ijoroana ho mpanompon’i Kristy , araka ny voasoratra hoe : « aoka ho  tonga fianarana ho an’ny mino  ianao amin’ny  fiteny , amin’ny fitondrantena , amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana » (1 Tim 4.12)

Fanontaniana :

Oviana ary taiza no nanekenao  an’i Jesoa Kristy ho  Tompo sy Mpamonjy  ny fiainanao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alatsinainy 14 Mey 2018.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Joba 33.1-7

Sarobidy  ny namana tarihin’ny Fanahy  Masina 

1-Manana fahendrena miavaka 

Teo anatrehan’ny  vina nihatra  tamin’i Joba  dia niezaka nampahery  azy i Bildada sy Elifaza ary Zofara. Nivoatra ho fifandresen-dahatra  teo  amin’izy  telo lahy  sy i Joba izany .Hatreo amin’ny toko  faha- iraika ambin’ny telopolo dia izy efa-dahy  no niandahatra . Rehefa afa-po tamin’ny fitenenana ireo  zokiolona ireo  dia izay  vao nanapa-kevitra  hiteny kosa i Eliho. Nanamarika izy  fa tsy  miankina amin’ny taona ny fahendrena fa miankina  amin’ny fanekena ny  fitarihan’ny Fanahy Masina (32.7-8). Voasoratra hoe: »ny fanahy izay ao anatin’ny zanak’olombelona sy ny fofonain’ny Tsitoha no mahahendry azy « . Mivantana kokoa  ny andininy fahasivy  manao hoe: »tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry , ary tsy dia ny fahanterana no  hahalalana ny rariny ».

2-Manitsy mananatra :

« ny  hitsimpoko  no hiseho  amin’ny teniko…holazaina  tsy  asiana fitaka« (and3). Nambaran’i Eliho fa tsy  mety ny manome tsiny an’ Andriamanitra (and13). Tsy  misalasala izy  manambara  ny fahambonian’ny Tompo (and12). Ilaina ny  miteny  amin’ny hitsiny tsy  misy fitaka, araka ny voasoratra hoe:« ao ny  andro anginana ary ao  ny  andro itenenana » (Mpito 3.7b). Ilaina ny fahasahiana miteny sy mananatra amin’ny fotoana mety .

Fanontaniana:

Ahoana no ahafantarana ny tena namana?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 13 Mey 2018.

 Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

1 Korintiana 2.12-16

Ny Fanahy  noraisintsika

1-Mahatonga  antsika  hisaotra  sy hankasitraka  ny  Tompo .

Voasoratra fa ny  Fanahy  izay  avy amin’ Andriamanitra  dia mahatonga  antsika ahafantatra  izay  zavatra  nomen’ Andriamanitra . Ny  Tompo  dia sady  tsara  no mpanao  ny tsara . Miara-miasa hahasoa  ireo fanomezany  ho antsika .Na dia tsy takatry  ny saintsika  eo no eo aza ny haben’ny fitiavany , ny azo antoka dia mikatsaka  izay hahasoa  antsika mandrakariva Izy. Araka izany, ny fahaizana misaotra  sy mankasitraka ny fanomezany  dia singa  iray mampiavaka  ireo  nandray  ny Fanahy  avy Aminy . Joaba , mpanompon’Andriamanitra dia  nahay nankasitraka  ny fitantanan’ Andriamanitra  ny fiainany  na dia nandalo  fotoan-tsarotra aza izy .

2-Mahatonga antsika mahay  misafidy :

Voasoratra  fa «ny olona araka ny  Fanahy  dia mahafantatra  ny zavatra rehetra »(and16). Tsy àry mampandroso  daholo  anefa  ireo  fa ao  ny tsara, ao na ny ratsy . Mampiavaka  ny  olna araka ny Fanahy ny fizorany  amin’ny safidy tsara. Harena lehibe ho antsika ny fahaizantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy , ny vary sy ny tsiparifary, ny marina sy ny diso. Andriamanitra dia mitaona  antsika hanana  safidy  tsara eo amin’ny fiainana .

Fanontaniana :

Manomeza ohatra  amin’ireo  fanomezana avy amin’ny Tompo anao ka tokony  hisaoranao Azy .

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 12 Mey 2018.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

1 Timoty 3.14-16
Ny  fiangonan’ Andriamanitra  velona

1-Mitaky  fitondrantena miavaka

« …fa raha tratra ela  aho   dia ny hahafantaranao  izay  fitondrantena mety  hatao ao an-tranon’ Andriamanitra … »(and 15). Masina ny fiangonana ary takiana fahamasinana  ny  mpino  eo anivony. Indrisy anefa  fa misy  fanaon’izao  tontolo izao  izay hita taratra  ao amin’ny fiangonana indraindray, toy  ny fitafiana tsy maontina, ny fihatsarambelatsihy, ny fahalovana, ny fijerena tavan’olona, ny fitabatabana samihafa. Soa ihany  fa  misy ny  mijoro  amin’ny fahamarinana sy fahamasinana hatramin’ny farany. Mila  manana fahasahiana hitaona ny mpianakavin’ny finoana hanana fitondrantena miavaka ny  mpitarika  eo anivon’ny fiangonana.

2-Andry  sy fiorenan’ny fahamarinana  

Jesoa Kristy, Ilay làlana  sy fahamarinana ary fiainana  no nanorina ny fiangonana . Tsy azo leferina  ny fanaovana ny fiangonana  ho zohy fieren’ny jiolahy. Tsy maintsy  mijoro  ho fanasina  sy ho fanazavana  ny fiangonana . Fahamarinana ara-pitondrantena, fahamarinana eo amin’ny fanambarana madio  ny Tenin’ Andriamanitra. Tsy  maintsy  milaza  ny marina ny fiangonana ary  tsy  mijery  tavan’olona.

Fanontaniana :

Tanisao  izay  fitondrantena takiana ao an-tranon’ Andriamanitra  fantatrao. Samy hafa  amin’ny atao  any ivelany ve izany ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Zoma 11 Mey 2018.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Matio 12.31-37

Ny  mpino  manaiky  hohavaozin’ny Fanahy Masina 

1-Hita taratra  amin’izay ataony 

« fa ny voany no hahafantarana ny hazo »(and33). Eo  anatrehan’ireo  anaram-boninahitra  sy andraikitra samihafa eo amin’ny mpanara-dia  ny  Tompo dia tsy  mora  ny  manavaka ny vary  sy ny tsiparifary. Mipoitra eny  ihany  anefa ny afenina rehefa ele ny ela . Tahaka  ny Fariseo  izay  sarotim-boninahitra   , tsy ny  fanasitranana  vitan’i Jesoa Kristy  no jereny  , fa lany andro  mamantatra  zavatra  hafa  izay mivaona amin’ny zava-misy. Na dia miezaka mamilivily  ny fahamarinana aza   ireo  ambaran’i Jesoa  fa fantatra  amin’ny voa eny ihany ny hazo(and33). Izay  milaza  fa vahoakan’ Andriamanitra  nefa mandà an’i Jesoa Kristy  dia mpandainga .

2-Hita taratra  amin’izay  teneniny

Ety ivelany dia fatratra tokoa ny fahitana azy  fa tahaka ny olona tsy  manan-tsiny, ny fatratra raha ny andraikitra tànany, ny fombafombany. Rehefa ela ny ela dia hita taratra  amin’ny tebt  avoakany  eny ihany  ny ao am-pony satria: «Avy amin’ny haben’ny ao am-po  no itenenan’ny vava »(and34). Ilaina ny fijoroana vavolombelona amin’ny alalan’ny fitenenana izay ifandraisantsika amin’ny hafa. Ilaina ny  manambara  ny fahatsaran’i Kristy amin’ny  manodidina antsika .

Fanontaniana :

Inona  no  tokony  hatao  mba hahatonga  ny  fihetsika  sy ny fiteny  hifanaraka  amin’ny sitrapon’ Andriamanitra ?

Bitrao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 10 Mey 2018.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Salamo 57.7-11

Mandresy ny  sarotra ny  mpino

1-Feno fahatokiana

Raha  ny  toe-javatra  natrehan’i Davida  dia noheverina fa  ny tahotra, ny  tebiteby, ny fanahiana no  mibahana eo  aminy. Ny  mifanohitra  amin’izany  anefa   no nitranga  teto.  Manoloana  ny fanenjehana , fifofoana izay  nataon’i Saoly  dia  niatrika izany  tamim-patokiana tanteraka i Davida . Hoy izy  hoe : « Tafatoetra ny  foko Andriamanitra ô,  eny  tafatoetra ny  foko » (and7). Izany  dia midika hoe: mitombina tsara , tsy  misy ahiahy , tsy misy tebiteby, mahitsy, hentitra, tsy  miroa saina, satria  miaraka  amin’Ilay Mpiandry  tsara. Jesoa  Kristy  dia feno  fatokiana na dia misedra  zavatsarotra  aza. Sahia mijoro  manoloana ny làlan-tsarotra .

2-Manandratra  avo ny Anaran’ny Tompo

Hafa  mihitsy  ny  fomba fiatrehan’i Davida  olana : fiderana, fankalazana , fanandratana, fanomezam-boninahitra ny  Tompo. Efa tsinjony  sahady   ny  valim-bavaka. Fantany  Ilay inoany. Mampianatra  antsika  izao fijoroan’i Davida izao mba hananantsika fanantenana eo am-piatrehana ny fotaon-tsarotra. Tsy  vaha-olana ny  fimonomononana sy ny  fifanomezan-tsiny . Azo atao  ny  miatrika  am-pifaliana amin’ny alalan’ny  fiderana tahaka ny nataon’i Paoly sy Silasy  tao an-tranomaizina (Asa 16.25).

Fanontaniana :

Nahoana  no  mbola   mahavita  misaotra  sy midera  ny Tompo  ireo mpiara-manompo  amintsika na dia misedra  zavatsarotra  aza ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM