Alatsinainy 04 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo Amosa 9.11-15

Fitiavana hafa kely

Amin’ny fomba hafakely  no entin’ Andriamanitra  maneho  sy manaporofo  ny fitiavany eto . Tsy manam-paharoa  izany fitiavan’Andriamanitra izany satria:1- Mamela heloka sy  manangana indray  Izy  (and 11-12)

Asehon ‘ Andriamanitra  amin’ny alalan’ny fananganana indray ny  rava  vokatry  ny fahababoana  ny famelan-keloka . Be fitiavana  Andriamanitra  ka tsy mamela antsika  ho ravan’ny fahotana  sy ny faharatsiana . Ny famelana  ny helotsika no entiny  maneho  izany fitiavana izany  sady hanarenany  antsika hanana fiainam-baovao  ao Aminy .Kristy  no  endrika   fara-tampony  ny  fitiavan’ Andriamanitra  sy fananganana  antsika indray  ka natolony ho  famelana  ny helotsika .

2-Manome  fitahiana (and13-15)

Fitahiana  no azo ilazana  izay rehetra  voalazan’ny Tompo  eto  amin’ireto  andininy   telo farany   ireto   Anisan’izany  ny fahasambaran’ny olona voavela heloka (S al 32.1-2) . Raha  oharina  amin’ny resaka  fambolena  ny fitahiana  noraisin’ izay voavela heloka  dia hifanao  tsy omby aloha  izany satria  mbola  tsy voajinja  ny eo  dia efa tonga   indray   ny fotoam-piasana  manaraka . Midika  izany  fa manana  amby ampy  ho antsika ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny fitahiany (Jer 31.3).

Fanontaniana:Inona  no mba heverinao  fa endrika  manokana  isehoan’ny fitiavan’ Andriamanitra anao ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alahady 03Desambra 2017 .

Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo 1 Jaona 4.7-11

    Ny  mpino   miaina ny  fitiavan’ Andriamanitra 

Avy  amin’ Andriamanitra   ny fitiavana  . Izay miray  Aminy  no manana  fitiavana  ka ny  mpino  miaina ny fitiavan’ Andriamanitra  dia:

1-Mifankatia (and7-8.11 )

Teny  fanentanana  antsika  mpino   no ataon’ny  Apostoly  Jaona  eto  amin’ny  tokony hifankatiavantsika . Tsy  zavatra  ifanerena  izany   fa marika  hanehoana ny maha- zanak’ Andriamanitra  kanefa  tsy  manam-pitiavana ny hafa . Nantsoina  ho amin’ny fifankatiavana  ny  mpino  satria samy zanak’ Andriamanitra . Fitiavana  ifanaovana  na ifamaliana  izany   fa tsy   fitiavana  mandeha ila sanatria.

2-Mahafoy  ny sarobidy  indrindra (and10)

Ambaran’i Jaona  mazava  tsara  fa ny  fitiavan’ Andriamanitra  dia tsy tamin’ny teny fampanantenana  fotsiny  ihany  fa noporofoiny  tamin’ny alalan’ny asa  koa. Porofo  mivaingana  no nentin’ Andriamanitra  naneho ny fitiavany antsika   dia ny nanolorany    ny tokana  sy ny tsara  ary ny sarobidy  indrindra teo am-pelatànany  ho famonjena antsika . Tahaka  an’ Andriamanitra  izay  nanome  ny zanany   izay tia dia tia  amin’ny teny   sy  amin’ny asa  ka  manome   sy  mahafoy   ny sarobidy indrindra . Ny tena  fitiavana  dia tsy  mila tambiny  ary  tsy sandaina  ihany koa .

Fanontaniana Inona  no zava-tsarobidy indrindra efa nafoinao ho an’ny olo-tianao?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sekoly Alahady / Fandaharana iombonana 2017.

« Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo »

Fiarahabana  ApostolikaFANATREHANA AN’ ANDRIAMANITRA Fiderana sy fankalazanaSal 95.1-5Hira 788.1,2Sitrapon’ Andriamanitra : Jao 15.9-10Hira 530 .3Vavaka  fifonana  sy fiaiken-keloka :  1 Jao 4.9 +Jao 3.16-17Hira 775 .1,3Famelankeloka :  ( 1 Jao 4.9+ Jao 3.16-17 )Hira 167.2,3Fanekem-pinoana ApostolikaASAN’NY FIANGONANA-Filazana  ny raharaha-Hira ataon’ny sekoly AlahadyTatitraFizarana Diplaoma na vokatra-Rakitra – Hira 73-Fanolorana ny Rakitra : Hira 797.1,3TENIN’ANDRIAMANITRA-5mn an’ny sekoly AlahadyHira 212.1Hira786.1,4Vavaka vakitenyVakiteny : Oha 3.1-12 ( tononina hoe toko ny bokin’ny Ohabolana)Lio 18.15-17Tit 3.3-7Hira  : 823.1,3,4TORITENYZava-manenoVavaka setrin’ny toritenyFAMARANANAHira 769 . 1,2,4  (mitovy feo 190)Tsodrano(mipetraka mivavaka mangina )

Ho an’ Andriamanitra irery ny Voninahitra 

Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy masina 

SEFALA / Alahady iombonana Des 2017.

FANDAHARANA : Litorjia endriny faharoa  Alahady 31 Desambra 2017 « Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo »

  • Fidirana : Feon-java-maneno na Hiran’ny Antoko Mpihira
  • Fiarahabana Apostolika : I Pet.1 : 2
  • Fiderana an’Andriamanitra: Sal. 66: 1 – 4 – Hira: 67- Vavaka Fiderana
  • Fankalazana ny tenin’Andriamanitra:
  • Hira: 68
  • Vavaka mialoha ny Vakiteny
  • Soratra Masina : Deo  7: 6 – 8 / Mat. 1 : 18 – 25  / Efe . 5 : 1 – 2
  • Hira: 71
  • Toriteny
  • Vavaka setrin’ny tenin’Andriamanitra sy fangatahana
  • Fanekem-pinoana
  • Asan’Andriamanitra:
  • Famakiana ny HAFATRA avy amin’ny SEFALA Foibe FJKM – Raharaha
  • Rakitra: Hira: 183 ; 225 (Fihirana Fifohazana) – Hiran’ny Antoko Mpihira
  • Fanolorana ny Rakitra: Hira 75 and.3 faranana amin’ny Amena
  • Famaranana:
  • Hira: 70 and 1, 2
  • Tso-drano
  • Hira: 70 and. 3,4
  • Vavaka mangina

Amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Amena

Firavana: Hira 81-75

……………………………………………………………………………………………………………………..

HAFATRA

Arahaba, ry Ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao (Lio. 1, 28)

Izany soratra masina izany ry Havana no entinay miarahaba anareo nahatratra ny Noely 2017 ary mirary ihany koa faran’ny taona sy taombaovao finaritra ho antsika mianakavy.

Miarahaba ny Kristiana FJKM rehetra, indrindra ianareo Mpianatra sy ianareo efa navoaka SEFALA. Amin’izao Alahadin’ny Fiantsoana sady Alahadin’ny SEFALA izao indrindra no hanentananay anareo mba samy handray anjara amin’ny famontosana ny Filazantsara ny Nosy Madagasikara.

Misaotra sy mankasitraka anareo Fiangonana izay mivavaka sy manolotra Rakitra ho fanohanana ny asa eto amin’ny SEFALA Foibe. ny Tompo hamaly soa ho anareo ry Havana. Manentana anareo izay tsy mbola nanao kosa mba hanatanteraka satria efa misy Kristiana navoakan’ny SEFALA avokoa ny Fiangonana FJKM rehetra. Marihina fa tsy voatery ho amin’ity Alahady anio ity ihany ny fotoana hanaovana izany  fa azo hafindra amin’ny andro hafa. Ny Rakitra dia haterina mivantana aty amin’ny SEFALA Foibe, rihana faha 6; Varavarana faha 607 na arotsaka ao amin’ny Compte BOA 20021870003.

 Manantena ny fandraisanareo anjara izahay ry Havana mba ho voninahitr’Andriamanitra.

Eto am-pamaranana dia mirary soa  sady manonona ny fiadanan’I Jesoa ho aminareo mandrakariva.

    Ny Filoha                                                                        Ny Tale Nasionaly

   RABEHATONINA James, Mpitandrina              RAKOTONIAINA, Mpitandrina 

Zoma 01 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany  ny  Tompo1 Jaona  3.1-6

    Ireo porofom-pitiavan’ Andriamanitra 

Vavolombelon’ny fitiavany  antsika  tokoa ny Tompo . Porofon’izany ny :1-Niantsoany  antsika  ho zanany (and 1-2 )

Tonga  zanak’ Andriamanitra isika noho  ny fampihavanana  nataon’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana sy  ny finoana  Azy. Tsy avy  amintsika  izany  fa tena  fitiavan’ Andriamanitra   te-hanangana  antsika  ho  zanany  . Porofom-pitiavana  no azo  ilazana ny nantsoan’ Andriamanitra  antsika ho zanany  satria  tonga mpiombona aina   Aminy  sy mpiray  lova  amin’i Jesoa zanany  isika .Fitiavana  azo antoka ihany  koa   satria  toetra  maha-Ray  be fitiavana  no entiny maneho  ny fitiavany  sy  mifandray  amintsika zanany .

2-Nanesorany  ny otantsika  

Mpanota  isika olombelona  . Notorontoronina  tamin’ny ota rahateo isika ka mora mivily  ho  amin’ny ratsy . Tia antsika anefa Andriamanitra  ka  tsy  mijery arina an-tava . Fitiavana lehibe no nasehony   tamin’ny nanesorany  tsy  ho eo anatrehany  ny  fahotantsika ka ny Ran’i Jesoa latsaka teo  amin’ny hazo  fijaliana no  nanadio  antsika ho  afaka amin’ny ota rehatra ( 1 Jao 1.7)Fanontaniana:Inona no marika hita maso  hanaporofoana ny  maha- Zanak’ Andriamanitra antsika?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM