Alahady 31 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny TompoDeoteronomia 7.6-8

Izay  mampiavaka ny  firenen’ Israely 

1-Firenena masina (and6)

Voatokana ho  an’ Andriamanitra ny dikan’ny  hoe: masina . Andriamanitra no efa nifidy sy nanamasina azy  ireo  ka tokony  hotehiriziny hatrany izany  . Tsy  tokony hanahaka ny fomban’ny jentilisa manodidina  azy  izy ireo  , indrindra  fa rehefa  tafiditra  any amin’ny tany   izay nampanantenaina  ho  lovany  . Izany   koa  no hafatra  ho antsika amin’izao  fotoana faramparany  mialohan’ny hiatrehana  ny taona vaovao  izao  : voatokana  ho an’ Andriamanitra  isika . Koa fadio  ny fanao ratsy  rehetra . Aza mianatra ny fanaon’izao  tontolo izao  , fa sahia  mijoro  ho vavolombelon’ny Tompontsika . « …fa ianao  efa nofidin’i Jehovah Andriamanitrao  ho firenena  rakitra  soa  ho Azy  mihoatra  noho ny firenena rehetra  ambonin’ny tany  » .

2-Notiavin’i Jehovah (and7,8)

Tsy miankina  velively  tamin’izay  nataon’Israely  ny fitiavan’ Andriamanitra  azy ireo  fa Izy  no  mitana   ny teny fampanantenana  nataony  tamin’ny razambeny sy ny nanavotany azy  tamin’ny trano  nahandevozana . Tia antsika Andriamanitra ka naniraka  ny zanany  ho avotra noho ny fahotantsika . Tsy  miankina  velively  tamin’ny hatsarana  na ny soa  vitantsika izany fitiavany izany   fa safidiny samirery .

Fanontaniana:

Inona  no antony  nifidianan’ny  Tompo  anao ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Hafatry ny Filoha / Faran’ny taona 2017.

HAFATRA FARAN’NY TAONA

«  Mampianara anay hanisa ny andronay

Hahazoanay fo hendry » (Sal.90.12)

Fo hendry mahalalafa mandalo sy miserana’reo zava-maro manadalaTsisy azo ianteherana,ka tsy anorenana ny fo,tsy ivarotana fanahyfa tena zava-mora lomitaky fahasahia-mandà. Fo manam-pahendrenaTsy hambotry firenena! Fo hendry, tena hendryFo hendry fa nahayNikatsaka sy nahakendryNy Doria Mandrakizay!IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, MpitandrinaFilohan’ny FJKM 

Sabotsy 30 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo Efesiana  5.1-2

Mijoroa  ho vavolombelon’ ny Tompo 

1-Aoka hanahaka an’ Andriamanitra « Koa  amin’izany   dia aoka hanahaka an’ Andriamanitra ianareo  tahaka ny zanaka malala » (and1)

Natao  hanahaka an’ Andriamanitra  ny olona . Io fanahafana an’ Andriamanitra  io  no toerana misy antsika  fony  mbola  tsy tafiditra  ny fahotana. Tian’ny Apostoly hotsiahivina eto izany  mba hahatonga  antsika  ho amin’ny fahariana vaovao (Efes 4.23,24). Ny  fitondrantenan’i Jesoa  Kristy  no modely  tokony  halaintsika tahaka , tsy mandainga , tsy mba manana lolompo , malemy fanahy , miantra  sy mamela heloka (Efes 4.25-32). Tokony  hanahaka  an’ Andriamanitra  isika  amin’ny fahamarinana  sy amin’ny fahamasinana  amin’ny fitondrantena rehetra .

2-Mandehana  amin’ny fitiavana 

Ampianarina koa isika  mba handeha  amin’ny fitiavana , ka  ny fitiavan’i kristy  no halain-tahaka , indrindra fa Izy  nanolotra  ny tenany  natao  sorona  ho  fanavotana ny hafa . Izany  dia araka  izay efa  nolazainy  tamin’ny mpianany hoe: »Tsy manana fitiavana  lehibe  noho izao  dia ny manolotra  ny ainy  hamonjy ny sakaizany « (Jao 15) . Ny   mpino  izay efa anahatsapa ny famonjena noraisiny  sy ny fitiavan’ Andriamanitra azy no ho afaka  mandeha  amin’ny fitiavana , ka ho tia  an’ Andriamanitra sy ho tia ny namany , eny ho tia  ny fahavalo aza . Tokony hanjaka  eo  amin’ny fiombonan’ny mpino   ny fifankatiavana .

Fanontaniana:

Mbola  misy  olona  tsy mifankatia ve ao am-piangonana ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

Zoma 29 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany  ny  Tompo 2 Tantara  9.3-8

Ny  fahendrena avy amin’ Andriamanitra

1-Miseho ho hita ety ivelany 

Ny trano  izay nataon’i Solomona  , ny hanim-pihinany   teo  amin’ny latabatra  ,  ny fihetsika sy ny fitafian’ny mpanompony , ny ambaratongan-tohatra  iakarana  ho ao an-tranon’i Jehovah (and6). Ireny rehetra ireny  dia nampiseho  tamin’ilay mpanjakavavy  fa tena  manam-pahendrena  mihoatra  lavitra   noho izay  efa nambara taminy tokoa  izy . Ny lesona  ho antsika  amin’izany  dia izao : tokony  ho hita  taratra  amin’ny fitondrantena  asehontsika  ny maha- kristiana  antsika  mba ho fijoroana  ho vavolombelon’i  Jesoa Kristy  amin’ny fiteny  , amin’ny fitafy , amin’ny sakafo  fihinana , amin’ny fitondrantenan’ny ankohonana  amin’ny fivavahana .

2-Mampiseho   ny fitiavan’ Andriamanitra 

Niaiky   ny fahendrena  nananan’i Solomona ilay  mpanjakavavy   ka nisaotra   an’ Andriamanitra . Tsapany  koa fa noho  ny fitiavan’ Andriamanitra  ny Israely  no antony nametrahana an’i Solomona  ho eo   amin’ny seza fiandrianany  , mba hikendry  izay hahasambatra  ny vahoaka entiny  … » Noho  ny fitiavan’ Andriamanitra  an’Israely  ka hampitoetra azy mandrakizay  no nanaovany  anao  ho mpanjakany  mba hanao  fitsarana  sy  fahamarinana » (and 8b) . Misy  antony  ho fanasoavana  ny hafa  ireny  fanomezam-pahasoavana  omen’ny  Tompo  antsika ireny  .

Fanontaniana:

Misy akony  eo  aamin’ny fiainan’ny  manodidina   ve ny fahendrenao ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

2017/12/29

Vavolombelon’ny fitiavany ny Tompo 

Alakamisy 28 Desambra 2017.

Vavolombelon’ny fitiavany ny  Tompo 2 Tesaloniana 2.13-17

Anatra  ho an’izay  rehetra efa  nandray ny Tompo 

1-Tomoera tsara 

Andriamanitra  efa nifidy   antsiika hatramin’ny voalohany  hahazo  famonjena  amin’ny fanamasinan’ny Fanahy  sy ny finoana  ny marina .Manoloana  ny  herin’Ilay  ratsy  izay  mifofofofo  ka mikendry  hanozongozona  ny finoantsika  dia tena ilaina  ny mitoetra tsara  , izany hoe: tsy hiongotra  na ho  mora  afindra  fa tena miorim-paka lalina . Ny  hevitry  ny  teny dia: »mamahatra tsara » (DIEM) . Betsaka ankehitriny  ireo  karazana fomba sy fivavahana  miditra  eto amin’ny tanintsika , manampy  trotraka   izany  ny fahasahiranana mianjady  amin’ny fiainan’ny  mponina andavanandro . Ireny rehetra  ireny no ataon’ilay ratsy   fitaovana  hahatonga  antsika  hiala  amin’izay efa  niorenan’ny finoantsika . Aoka  isika  hitoetra tsara  amin’izay efa  niantsoana  sy nifidianan’ny  Tompo  antsika .

2-Hazony  ny fampianarana  natolotra 

Tsy  nazava  tamin’ny olona  ny fampianarana  ny amin’ny fiavian’ny  Tompo   amim-boninahitra  ka nahatonga  fivilian-dàlana  . Ny sasany  aza  efa  tsy niasa intsony satria  nihevitra  fa efa  tonga  ny farany  ka tonga  nahantra  sy nangataka . Tsy   voatahiry  intsony  ny fampianarana  natolotry   ny Apostoly  . Ny hoe: « mihazona  ny fampianarana »  dia mampihatra   izany  eo  amin’ny fanompoana  an’ Andriamanitra   eo  amin’ny fiainana andavanandro na amin’ny teny  na amin’ny asa : « amin’ny asa sy ny teny   tsara rehetra  » (and17).

Fanontaniana:Inona  no mampiavaka  ny finoana  nanananao  ka ifikiranao amin’izany ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM