Hafatry ny Filoha / Antso avo fahenina

Fomba fisaina sy fomba fiasa

 6-Manao antso avo izahay mba hanova fomba fisaina sy fomba fiasa isika,        mba havahana amin’ny lanonam-pianakaviana ny lanonam-    piangonana, ka eo amin’izay anaovana lanonam-piangonana, atao amin’ny anaran’ny FJKM, toy ny fiaraha-misakafo amin’ny fotoana anaovana Fankalazana na Jobily na fitadiavam-bola ho an’ny asan’Andriamanitra tanterahin’ny fiangonana FJKM na zanaka am-pielezan’ny fiangonana FJKM: mba tsy hasiana bal izany “Ry Andriamanitra velona ô, havaozy sy ovay izahay!”.

Ry havana Malala, araka ny ambaran’ny Fitsipiky ny FJKM, and.265.8, moa dia “Raiamandreny” ny Filohan’ny FJKM.

Koa antso avon’ny Raiamandreny ihany no ataonay. Tsy fanapahan-kevitra anaovana teny midina, fa antso avon’ny Raiamandreny mahatsiaro fa mbola hampamoahina ”eo anatrehan’andriamanitra sy i Kristy Jesoa, Izay hitsara ny velona sy ny maty” (2 Tim.4: 1).

 

IRAKO Andriamahazosoa Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM

    

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV