Hafatry ny Filoha .

HAFATRY NY MPIANDRAIKITRA FOIBE
MF.03/SLXVIII
CFD Ampandrana 18-25 Oktobra 2017

 

« Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy Jesoa Kristy Tompo » (Efes.1/2)

Ny Mpiandraikitra Foibe izay nivory ara-potoana teto amin’ny CFD Ampandrana, Antananarivo tamin’ny 18 – 25 Oktobra 2017, dia mamangy ny Kristiana rehetra manerana ny sahan’ny FJKM, ary mandefa izao hafatra izao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra sy ireo tompon’andraikitra rehetra isan’ambaratonga :
1. Manoloana izao firongatry ny Pesta izao dia mampahery ny vahoaka manontolo, indrindra fa ny Fiangonana sy ny sekoly, ny Raiamandreny sy ny Mpianatra, mba hiorina amin’ny finoana ka hivavaka ho an’ny firenena, ary ho lohalaharana amin’ny fanohizana hatrany ny fitandroana ny fahasalamana sy ny fahadiovana.
2. Natao tao amin’ny FJKM Ankadifotsy tamin’ny 22 Oktobra 2017 ny fisaorana an’Andriamanitra ho fankasitrahana an’Andriamatoa RASENDRAHASINA Lala Haja, Mpitandrina, mivady sy ny ankohonany noho ny naha-Filohan’ny FJKM azy nandritra ny 12 taona (2004 – 2016). Entanina sy ampirisihina ny Synodamparitany rehetra sy ny Fitandremana mba samy handray anjara ka hanao izany fankasitrahana ny Mpanompon’Andriamanitra izany.
3. Mampahery sy mivavaka ho an’ireo havana rehetra, mponina ao an-tananan’i Mananjary izay niharan’ny haintrano. Aoka samy hahatsiaro hivavaka ho azy ireo isika.
4. Ny FJKM dia miombom-po amam-panahy amin’ny ankohonan’ny Profesora Zafy Albert, Filoham-pirenena teo aloha izay nodimandry tamin’izao volana Oktobra izao, amin’ny maha olomangan’ny Kolejy Paul Minault azy.
5. Mankasitraka ny mpianakavin’ny finoana FJKM tamin’ny fanatanterahana ny fihaonambe rehetra nataon’ny isan-tsampana. Nampahery sy nampahomby ny fifaneraserana sy ny fifandraisana izany, na dia teo aza ny voina nihatra tamin’ny lozam-piarakodia nahazo ny zanaky ny SP Mandridrano Mpiambina , Soavinandriana Itasy, sy ireo toe-javatra vitsivitsy nanahirana. Dingana lehibe no nataontsika Fiangonana teto amin’ny Firenena satria efa fanehoana ny maha-vavolombelon’ny Tompo Jesoa izany. Nosokafana tany Antseranana tanatin’ireny vanim-potoanan’ny Fihaonambe ireny ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha 50 taonan’ny FJKM sy ny faha 200 taona nahatongavan’ny LMS teto Madagasikara.
6. Raisintsika FJKM ho zava-dehibe eo amin’ny maha fiangonana Protestanta, zanaky ny Reformasiona (FLM, FJKM) ny mankalaza ny faha- 500 taonan’izany vanim-potoana manokana eo amin’ny Fiangonana izany. Natao teto Antananarivo (Ankadikely Avaradrano) ny 3 – 8 Oktobra 2017 ny fivoriambe fahafolo an’ny FFPM, ary hirosoana hatrany ny fanatanterahana izay kendren’ny teny Faneva hoe : « Mazoto mitana ny firaisana avy amin’ny Fanahy amin’ny Fehim-pihavanana» (Efes.4/3)
7. Misaotra ny Tompo Jesoa isika fa mandroso hatrany ny fanatanterahantsika ny VINAN’NY FJKM amin’ny fampiharana ny « Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara », ka anaovana ho anton-draharaha ny fananganana vondron’olona mpiara-mivavaka ary hanjary ho fiangonana any amin’ireo kaominina mbola tsy misy FJKM. Natao tao anatin’izao fotoam-pivoriana izao ny fanirahana ireo mpirotsaka an-tsehatra izay vita fiofanana tao amin’ny IVON-TOERANA FANOFANANA MISIONERA, izay miisa 902 mianadahy antsoina hoe : andiany SANTATRA
8. Nankatoavina tamin’ity fivoriana ity ny Tonian’ny SAMPATI sy ireo Talem-paritra FPMP. Voatendry koa ireo Prezida Synodaly vaovao.
9. Entanina ary antsoina isika fiangonana FJKM hiroso amin’ny fiaraha-miasa amin’ny CWM momba ilay Tetikasa JACOB PROJECT, izay fiahiana manokana ireo sembana eto amin’ny firenena sy ao amin’ny fiangonana.
10. Ambara eto fa efa misokatra ny TPM any Ambatondrazaka, sy ny ONIVERSITY RAVELOJAONA izay misy ireo sampam-pahalalana samihafa.
11. Ankasitrahana manokana ny fivoatran’ny fandrotsahana ny Adidy iombonana ataon’ny Synodamparitany, sy ireo Fiangonana Mpanampy izay ahitana taha isanjato ambony dia ambony tokoa.
Nanapa-kevitra ny Mpiandraikitra Foibe fa hakarina ny fivelomana fototra (an’ny Mpiasam-piangonana). Noho izany dia hisy ny fisondrotan’ny Adidy Iombonana. Sady fiahiana ny mpiasam-piangonana izany no ho fanohanana ny Asa iombonana ato amin’ny FJKM.
12. Manaitra ny tompon’andraikitra (eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fanjakana) rehetra noho ny firongatry ny adin-tany sy fibosesehan’ireo vahiny mamaritra tany eto amin’ny firenena ka miteraka fisaraham-bazana sy horohoro ary tsy fandriampahalemana.
13. Tena ankasitrahana manokana ary ampaherezina hatrany ireo Sekoly FJKM (Tale, Mpampianatra , Mpianatra ary Raiamandreny) fa tena nahafatra-po ny ezaka lehibe nataon’izy ireo ka nahazoana ny voka-panadinana ara-panjakana (CEPE, BEPC, BACC). Ampahatsiahivina isika Fitandremana sy Synodamparitany mba samy hanao ho zava-dehibe izay rehetra momba ny Sekoly FJKM.
14. Nolaniana sy nekena tamin’izao fivoriana izao ny Tetibolan’ny FJKM ho an’ny taona 2018. Efa miroso hatrany mampihatra ny Tetibolam-pandaharana (Budget Programme) isika FJKM ankehitriny, na dia mbola ampahany aza no efa ampiharina.

Mirary soa antsika rehetra, ry havana, ary mirary Krismasy feno fifaliana sy Taombaovao feno fitahiana ho anareo ao amin’i Kristy.

« Ny fahasoavana anie ho an’izay rehetra tia an’i Jesoa Kristy Tompontsika amin’ny fitiavana tsy mety levona » (Efes.6/24)

Antananarivo faha 25 Oktobra 2017

Ny Filohan’ny Mpiandraikitra Foibe

IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

AFIFAB – Radio / Fitaovana vaovao

 

Isaorana ny Tompo fa tonga soa aman-tsara ny fitaovana ho an’ ny AFIFAB/FJKM izay natolotry ny Mpitandrina sy ny FJKM Wagner Paris S/P 37.
Fitaovana ho an’ ny Radio Fahazavana sy ampiasaina amin’ ny Fanaovana ny « montage Vidéo » ny fitaovana natolotra izay toy izao manaraka izao: Ordinateur de Bureau roa, sy portable iray.Hanampy betsaka anay amin’ ny fanatontosana ny asa atao eto anivon’ ny AFIFAB/FJKM ny fitaovana natolotra. Ahafahana dieny izao sahady miatrika ny fandraisana ny Televiziona an’ ny FJKM ny fitaovana natolotra.


Fisaorana mitafotafo no atolotra ny FJKM Wagner sy ny kristiana ao aminy rehetra; sitraka sy telina tompoko ny nataonareo anay; Andriamanitra manan-karem-pahasoavana no handrotsaka ny fitahiany ho aminareo rehetra.

« Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho Voninahitry ny anarany. » Hebreo 6:10

seraseram-pifandraisana FOIBE FJKM

Commémoration des 500 ans de la Réforme.


Le 31 octobre c’est l’anniversaire de la réforme, de l’affichage des 95 thèses de Luther en 1517. Et oui, 500 ans plus tard c’est un bon anniversaire à fêter ! 

Les 5 Solas de la réforme

Sola Scriptura – L’Ecriture seule

la Bible est l’autorité suprême. Seules les Ecritures constituent la norme par laquelle tous les enseignements et doctrines de l’église doivent être mesurés. Dans notre vie aussi nous voulons que la Parole ait pleine autorité. Qui a le dernier mot dans nos vies ? Nos sentiments, nos émotions, nos intuitions, nos expériences, le dernier livre de notre auteur chrétien préféré ou la vidéo de notre enseignant favori ?

Sola Fida – La foi seule

C’est par la foi seule en Christ que nous sommes justifiés. C’est le seul moyen qui nous est donné. Ne pas croire que nos efforts nous réconcilieront plus avec Dieu, Dieu nous a adopté c’est un fait et pas une chose à gagner, nous sommes enfants, filles de Dieu !

Solus Christus – Christ seul

C’est par l’oeuvre de Christ seul que nous sommes justifiés. Il est le seul chemin qui mène au Père, le seul médiateur.

Sola Gratia – Seule la grâce

Le salut s’obtient par la grâce et non par nos oeuvres et nos efforts. Le salut est un don gratuit de Dieu. Les rituels c’est fini.

Soli Deo Gloria – Pour la gloire de Dieu seule

Le salut vient de Dieu et a été accompli par Dieu uniquement pour sa gloire.

……………………………………

Une vérité cachée

Mais à une autre époque on disait que l’argent vous permettrait de sauver votre famille et vous faire rester moins longtemps au purgatoire. Imaginez-vous dans les années 1500, sans espérance, sans le sous et vous disant que ce Dieu est inatteignable, inaccessible. Toujours plus de choses à faire, toujours des règles qui se rajoutent pour espérer que Dieu nous regarde, ait un regard favorable.

Et puis Luther affiche ses 95 thèses et tout le monde commence à en parler : « On nous aurait menti, ce n’est pas l’argent, les indulgences qui nous donneraient accès à Dieu ? Et en plus il se pourrait que non seulement ce ne soit pas une question d’argent mais que ce ne soit pas non plus une question de faire quoi que ce soit ? A ce qu’il parait il n’y a rien à payer, rien à faire, le Christ s’est chargé à notre place de faire ce qu’il fallait pour que nous ayons accès au Père. ! »

Cela devait être un tel fardeau de voir la liste des choses à faire, de l’argent à avoir pour accéder à Dieu. Quelle joie de découvrir que c’est gratuit, que l’inaccessible devient accessible, que ce qui était trop cher devient gratuit … Pour nous c’est normal, si nous avons été bien enseignées nous savons que le salut est gratuit, dès l’école du dimanche pour certaines c’est acquis ! Mais en ce temps c’est comme si cette vérité avait été cachée.

La réforme est venue remettre au centre ces réalités. Que serait notre foi sans ce fondement : le don gratuit de Dieu, sauvée par grâce par le moyen de la foi par Christ seul. C’est normal pour nous et je suis reconnaissante qu’aujourd’hui on puisse dire, cela fait bien maintenant 500 ans, que la grâce que Dieu nous a faite a été remise à sa juste place ! Cette bonne nouvelle, l’évangile.

Le 31 octobre c’est l’anniversaire de la réforme, de l’affichage des 95 thèses de Luther en 1517. Et oui, 500 ans plus tard c’est un bon anniversaire à fêter !

<Ellecroit.com>

 

 

Fanazavana Perikopa 05,12 Nov 2017.

Perikopa
Ny antsoina hoe : mino
Ny fomba iandrasana ny Tompo
Salamo

33, 18- 22

Izay manantena ny Tompo ho :

  • Mpamindrafo (and.18)
  • Mpanafaka amin’ny fahafatesana (and.18)
  • Mpamelona (and. 19)

Izay matoky ny anarany (and ; 21)

Fahatahorana an’Andriamanitra (and.18)

Fiandrasana Azy amin’ny fotoana ilam-pamonjena sy iatrehana ady (and. 20)

Fiandrasana amin’ny fanantenana fatratra (and. 22)

Mika

7, 7- 10

Izay matoky an’Andriamanitra mihaino azy (and. 7)

Izay manantena ny ho famonjena azy (and. 8)

Izay manaiky ny ahitsin’ny Tompo (and.9)

Fiandrasana Azy amin’ny fotoana ilam- pamonjena (and. 7)

Fiandrasana am-paharetana ny Tompo (and. 9- 10)

Lioka

2, 36- 38

Izay tsy miova (tsy mivadika) amin’ny fanompoany, eny na dia efa antitra aza (and. 37) Fiandrasana amin’ny fahamasinan-tena toa ny fiainan’i Fanoela (and. 36- 37)

Fampahafantarana an’i Jesoa Mpamonjy amin’ny hafa (and. 38)

Matio

25, 1- 13

Izay mitsena ny fahatongavan’ny Tompo (and. 5)

Izay miambina ny ho fihavian’ny Tompo (and. 13)

Fiomanana hiandry ny ho fihavian’ny Tompo.
Romana

8, 18- 25

Izay maharitra amin’ny fahoriana ka tsy mivadika amin’ny Tompo . Fanomezam-boninahitra ny voahary (and.18- 22)

Fanomezam-boninahitra ny Zanak’ Andriamanitra (and.23- 25)

Filipiana

3, 17- 21

Izay miaina ho fianarana ho an’ny hafa (and. 17)

Izay miandry ny Fanjakan’Andriamanitra (and.20)

Fiandrasana ny ho fahatanterahan’ny fanjakan’Andriamanitra

 

Ho an’Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra.

RAKOTOZANANY Andrianirinomena Jules, Mpitandrina

 

 

Fiaretan’ireo Misionera LMS .

TSY MORA NY FITORIANA NY FILAZANTSARA FAHA LMS

Misaotra an’Andriamanitra isika FJKM ankehitriny, noho ny faha 50 taona nitondrana ny anarana FJKM, ary miara-dàlana amin’izany koa ny faha 200 taona nidiran’ny LMS izay nitory ny Filazantsara teto amintsika. Tsara ihany ny mahafantatra izay zavatra tsy maintsy niaretan’ny Misionera LMS izay tonga teto amintsika.

1.NAMOY VADY AMAN-JANAKA

Raha tonga teto Madagasikara ireo tokantrano roa an’ny Misionera David Jones 3 mianaka, sy Thomas Bevan 3 mianaka, dia maty avokoa izy rehetra hafa tsy David Jones irery sisa. Tazo no voalaza amim-pomba ofisialy fa nahafaty ireo olona 5 mianaka ireo.Misy anefa mpikaroka sahy nilaza fa, toa nisy namosavy izy ireo.

 2.NOKIVIAN’NY GOVERNORA MAORISIANA

Ny Governora mpisolo toerana Jeneraly Hall, dia tena nanakivy mihitsy ny handehanan’ireto Misionera mbola tanora ireto hankaty Madagasikara. Notsoriny mihitsy fa, ny mitory amin’ny alika no tsara noho ny mitory amin’ny Malagasy. Soa fa tsy nahakivy mihitsy ireto Misionera ireto izany fanakiviana izany. Antony politika, noho ny tsy nandoavan’ny Fanjakana britanika izay nisoloany tena, no tena antony tsy nampaharisika azy handefa ny Misionera.

3.NOTOHERIN’NY MPIJIRIKA OLONA

Ireo olom-panjakana mpijirika, izany hoe, mpivarotra olona ho andevo izay haondrana any ivelany, dia tsy naman’ny Misionera mihitsy. Nisy tokoa ny Fifanarahana nataon’ny Fanjakana britanika tao Maorisy sy ny Fanjakana Malagasy, mba hanafoana ny fivarotana olona eto. Ny Governora mpisolo toerana tao Maorisy anefa, dia tsy nanome ny vola tokony ho an’ny Fanjakana Malagasy, izay hasolo ny volam-panjakana nampidirin’ny fivarotana andevo.

Ny fahatongavan’ny Misionera dia noraisin’ny mpitondra fanjakana nahazo vahana tamin’ny fivarotana andevo fa, fahavoazana ho azy. Ho very ny tombontsoany, ka nanao izay fomba rehetra tsy hahatamana azy ireo ireto olom-panjakana sasany ireto. Tsy mba nahataitra velively ireto olona ireto ny fahaverezan’ny olona tokony hamokatra taty Afovoantany, izay 1/3 no efa naondrana ho andevo mankany ivelany. Fa ny fahaverezan’ny tombontsoany ny lehibe taminy.

4.NOROBAIN’NY NAMANA

Rehefa narary mafy ny Misionera David Jones, dia ilay vazaha izay niseho nikarakara azy hatrany am-pahatongavany, no nahavita nandroba ny volany. Fomba iray nokendreny hampitombo ny tombontsoa tiany ho azo avy tamin’io Misionera io, toy ny hofantrano sy ny sakafo nikarakarany azy, ary ny fitsaboana ireo vady aman-janany izay narary.Nakany vola be dia be ihany koa ny fandevenana ireo fianakavian’ny Misionera izay maty ireo.

5.LAINGA NAFAFY

Raha naniraka olona nankany Toamasina ny mpanjaka Radama I, mba hitaona ny Misionera David Jones hiakatra any Antananarivo, dia nomena valinteny na ninia nandainga ireo iraka ireo. Tonga tany amin’ny mpanjaka ny vaovao fa efa maty avokoa ireo Misionera. Tankina ny mpanjaka, raha nandre izany, ary voalaza ho kivy mihitsy.

Soa fa lainga niniana nafafy anefa izany, noho ny tombontsoan’ny olona mpitondra sasany natahorany ho very rehefa tafakatra ny Misionera. Santiona ireo ilazana fa, asan’ny Tompo no nandehanan’ireto Misionera ireto, ka namoizany hatramin’ny ainy sy ny an’ny vady aman-janany. Teo koa ny fanakiviana sy ny famafazana lainga, ny fandrobana ny fananany, izay tokony hiteraka vokatra mampihemotra tokoa. Nefa tsy izany fa dia izao hitantsika 200 taona aty aoriana izao, ny vokatsoa niaretan’ireo Misionera ireo.         ( A.Zaka. Mpit )

 

Thomas Bevan sy David Jones

Alatsinainy 30 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka  ny vavolombelona marina 2 Tesaloniana 3.1-5

Mivavaka  ho an’ny Tenin’ Andriamanitra ny  mino 

1-Mivavaha ho  an’ny mpitory ny Filazantsara

Fangatahan’ny Apostoly Paoly  tamin’ny Fiangonana  kristiana  tany Tesalonika  ny hitondrana amam-bavaka azy sy ny namany  mba hahatanteraka ny fitoriana  ny Filazantsara . Vavaka  no hahatanteraka  ny asan’ny Tompo . Tsy  ampy  ny miasa  fotsiny  fa tsy maintsy   entina  am-bavaka ny asa . Ao   amin’ny vavaka dia miaro sy mampahery  ny fiangonany  ny Tompo  (and3). Fitaovana eo am-pelatànan’ny devoly  mandrakariva  ny ratsy  sy ny tsy mino  mba hamoretana sy handrahonany ny mpitory   ny Filazantsara  (jereo Asa 17.11,13). Fiadiana  eo am-pelatànan’ny mpino ny vavaka  handresena  ny fahavalo .

2-Mivavaha mba hahatratrarana ny zava-kendrena 

Maro ny sakana  ho amin’ny asa fampielezana  ny Vaovao  mahafaly  tao Tesalonika . Isan’ireny  ny fahamaroan’ny Jiosy mpanohitra  ny fivavahana  kristiana , ny fahadisoam-pinoana momba  ny fiavian’i Kristy tampoka sy haingana  ary  ny fisian’ireo  ratsy toetra  , izay  manimba  ny fiangonana (and6). Manana tanjona  tratrarina  ny  Apostoly amin’ny fitorian-teny  sy ny fitoriana  ny Filazantsara  . Ireto  avy ireo  tanjona   voalaza  ireo : mba hankalazana   eo  amin’ny Jentilisa ny Tenin’ Andriamanitra , mba hovonjena amin’ny  ratsy  fanahy  ny  Apostoly  , mba ho  amin’ny fitiavan’ Andriamanitra   ny fiangonana , mba hanana ny faharetan’i Kristy ny fiangonana

  

Alahady 29 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka ny vavolombelona marina2 Tantara 7.11-18Andriamanitra  mamaly vavaka1-Andriamanitra  mifidy ny fitoerana masina

Mifidy toerana  fivavahana  ho  an’ny fireneny  sy ny vahoakany  Andriamanitra . Natao  ho  trano  fanateram-panatitra  ny trano  namboarin’i Solomona  sy ny vahoaka  manamboatra fa Izy  Andriamanitra no mitokana  sy manamasina  ary mametraka  ny antom-pisian’ny Tempoly  . Toerana  fivavahana  sy fihaonana amin’ Andriamanitra  , Ilay  tsy hita maso . Ao  no hanehoana  ny fanetrentena sy fibebahana sy fangatahana famelan-keloka  ary fanasitranana  ho an’ny olona sy  ny firenena (and14).

2-Andriamanitra  mihaino  sy mijery  ny  mpivavaka

Mijery  sy mihaino  izay atao  rehetra ao amin’ny  Tempoly ny  Tompo . An’ Andriamanitra ny Tempoly  , fanehoany  ny fisiany  sy ny fahamasinana ary ny fanatrehany  ny  vahoakany . Andriamanitra  iray  ao amin’ny Tempoly tokana  ho  an’ny firenena iray . Manaiky ho  eo amin’Israely amin’ny alalan’ny Tempoly Andriamanitra (and16) mba  ho fitahiana  ho an’Israely izay nofidiny .

3-Andriamanitra manao fanekena  amin’Israely

Tomponandraikitra  amin’ny faharetan’ny fanjakany  sy  ny filaminana ary  ny fiadanan’Israely  ny  mpanjaka . I Davida , tandindon’Ilay Mesia Mpanjaka  no itarafan’ny mpanjaka mifandimby  ny tokony atao.Antoka ho fiandrianana sy filaminan’Isarely   ny fanaovana araka izay nataon’i Davida mpanjaka rainy .Fanontaniana:Inona  no ifandraisana’ny  Tempoly sy ny fanajakana ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Sabotsy 28 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Lioka 11.5-13

« Ny Ray  izay any an-danitra  no hanome anareo ny Fanahy masina ho an’izay mangataka aminy? » Lioka 11.13

1- Ny Ray  manome ny Fanahy masina

Fanomezan’ Andriamanitra  ho  an’ny  mpianatr’i Jesoa ny  Fanahy  masina . Mihoatra  lavitra  amin’ny fanomezan’ny  olona ny fanomezan’ Andriamanitra . Miezaka ny olona hanome  izay heveriny  ho tsara  ho  an’ny zanany  na ny namany  , fa efa  nanome antsika ny tsara indrindra ny Tompo, dia ny Fanahy masina . Ny vavaka  izany   dia fangatahana  ataon’ny olona amin’ny Tompo  ary fanomezana   ataon’ny  Tompo  ho  an’ny  olona  . Ny  vavaka  no  mampifamatotra ny mino  an’ Andriamanitra  ary Andriamanitra  amin’ny  mino .

2-Ny  zanaka  mangataka  amin’ny  Ray 

Mampianatra vavaka i  Jesoa  eto  amin’ity  Lioka 11 ity  . Ampianarin’i Jesoa  isika  hivavaka  amin’ny Ray . Ny vavaka  atao  dia mitaky finoana fa Andriamanitra  dia manome mihoatra  sy tsara lavitra  noho izay angatahantsika (and 11-13, Efe 3.20) . Andriamanitra  dia manambara  fa izay  tafiditra  ho  mpianatr’i Jesoa  Kristy  dia afaka managataka  Aminy   ary Izy manokatra  ny tànany  sy manome ho  azy  . Tafiditra  ao amin’ny fanjakany isika , ary  miditra  sy mahita  an’ Andriamanitra any an-danitra (and9). Mahereza  àry mivavaka  ka  mangataka izay ilaintsika , araka ny sitrapony , mba hahazoantsika mahatanteraka ny sitrapony  amin’izao  ankehintriny izao .

Fanontaniana:

Ahoana   no fiainam-bavaka  araka ity fampianaran’i Jesoa Kristy  ity ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM 

Zoma 27 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka ny  vavolombelona marina Kolosiana 1.9-14

Mamindra antsika  ho amin’ny fanjakany  ny  Tompo 

1-Tohizo ny hafanana amin’ny vavaka

Feno  fifaliana ny Apostoly  Paoly  amin’ny fandrosoan’ny fiangonana tany Kolosia amin’ny finoana sy ny fivavahana . Tsy ampy  ny mionona  amin’ny efa vita  fa tohizana  hatrany ny  fivavahana  sy ny  fitomboana ho amin’ny fahatsarana . « Tsy  mitsahatra  mivavaka  sy mangataka  ho anareo aho « , hoy i Paoly  (and9). Tsy  vitan’ny  moraly  izany   ny fiainana kristiana  , fa hatsarain’ny vavaka . Mivavaha  mba hofenoina  fahalalana ny sitrapon’ny  Tompo  , ka hanana  fahendrena  sy fahazavana  avy  amin’ny Fanahy masina . Mivavaha  ihany  koa   mba handeha  miendrika  ny Tompo , mba hahavokatra  amin’ny asa tsara  rehetra , mba hatanjaka  amin’ny herin’ny  voninahitry ny Tompo . Manàna  tanjona  mazava  amin’ny vavaka  atao  , toy izay hataon’ny Apostoly izao .

2-Mivavaha amin’ny fisaorana 

Manandratra  vavaka fisaorana  sy fankalazana  i  Paoly . Manambara   ny asan’i Jesoa Kristy  izy  , izay mahatonga   ny mpino hanana anjara   ao amin’ny fanjakan’i Jesoa Kristy  Zanak’ Andriamanitra .Izy no mampahamendrika antsika hanana anjara  lova  amin’ny lovan’ny olona masina . Tsy  mendrika  izany isika   noho ny fahotana . Omena  ny kristiana  anefa izany  satria i Jesoa Kristy  no mamindra antsika  hiala  tao  amin’ny fahefan’ i satana na ny maizina   ho amin’ny fanjakan’i Kristy  . I Jesoa  no mahatonga  antsika  hanana  fanavotana  dia ny famelana ny helontsika .

Fanontaniana:

Hazavao  fa fanjakan’ny vavaka ny fanjakan’iKristy ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Alakamisy 26 Oktobra 2017 .

Mahery vavaka ny vavolombelona marina Ezra 10.1-4

Fanadiovana ny  firenena

1-Mivavaka   sy mitsotra  amin’ Andriamanitra 

Mivavaka araka ny fanambaran’ny  Soratra masina i  Ezra mpisorona . Rehefa tafaverina  avy amin’ny fahababoana  avy tany Babylona  ny  Jiosy  dia nifangaro  be ny mponina  tany  Jerosalema . Maro  ny  mpisorona  sy ny lehilahy  no efa nanambady  hafa firenena , izay   mifanohitra  amin’ny lalàn’i Mosesy . Manarina  ny fireneny  ho Israely  vaovao  ny irak’ Andriamanitra , ka mampiverina  ny olona  amin’ny Tenin’ Andriamanitra  sy ny fivavahana  ary ny fibebahana marina . Nodiovina sy nampifanarahana  tamin’ny Tenin’ Andriamanitra ny  fanambadiana . Izany  no nanampian’i Sekania  an’i Ezra  mba tsy  hiala  amin’ny marina : fisarahana  ny vady   hafa firenena (and2) .

2-Mampiombona ny vavaka 

Mampiverina  ho amin’ny Tenin’ Andriamanitra  ny vavaka . Niverina  nanao fanekena  tamin’ Andriamanitra  indray  ny  Joda (and3). Mampiray  ny firenena manontolo  ny amin’ Andriamanitra iray . Antsoina  ho matahotra  an’ Andriamanitra ny Jiosy  avy  amin’ny fahababoana dia ireo  mangovitra noho ny didin’ Andriamanitra (and3) . Fanitsiam-pivavahana mametraka ny Tenin’ Andriamanitra  ho ambony  noho ny hevitra sosialy  sy fiaraha-monina  no nataon’i Ezra . Tomponandraikitra voalohany  amin’ny fanatanterahana  ny  Tenin’ Andriamanitra ny mpisorona . Ho tahaka  izany  koa  ny mpitarika  eo  amin’ny fiangonana  ankehitriny .

Fanontaniana:Inona no atao amin’ny fanomanana  ny fanambadiana ?Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM