Alakamisy 14 Septambra 2017 .
Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
Jaona 15.26-27
Afaka mijoro ho vavolombelona isika
1-Noho ny mpanampy sy mpiaro
Aza adinoina fa mifampitohy amin’ny andininy izay milaza fanenjehana sy fankahalana eo alohany ity eto amin’ny and 26 ity . Ahoana no hijoroana ho vavolombelon’ny Tompo eo anoloan’ny fanakahalana ? Na dia i Jesoa aza nankahalaina , mba hanao ahoana isika? Hahazaka izany ve ny mpino , ka ho sahy hijoro ho vavolombelona ? Afaka mijoro ho vavolombelona isika noho ny Fanahy masina na ny mpananatra . Ny mpananatra dia manana hevitra hoe : mpiaro , sady tonga mpanampy sy manohana amin’ny ady mafy sy fanenjehana . Izany no mahatonga antsika ho sahy na dia ankahalaina aza . Tonga vavolombelona manam-pahasahiana isika noho ny herin’ny Fanahy masina izay mpanampy sy mpiaro amin’ny loza sy fanenjehana .
2-Noho ny Fanahin’ny fahamarinana
Ny Fanahin’ny fahamarinana araka ny anarany dia hahazoana manakatra ny asany sy ny fomba fiasany . Mampahatsiaro ny teny fahamarinana nambaran’ny Tompo Izy , ka tonga manamafy orina ny finoana . Rehefa mafy orina ny finoana dia tsy matahotra sady tsy menatra ny hijoro ho vavolombelon’ny Tompo ny mpanara-dia Azy, na dia etsy ankilany aza ny fanenjehana sy ny nifankahalana . Raiso ny Fanahy ary ekeo hitarika antsika sy hiasa manankery eo amintsika dia afaka mijoro ho vavolombelon’ny Tompo mandrakariva isika .
Fanontaniana:
Misy afaka mijoro vavolombelona fa tsy sahy ary misy sahy fa tsy afaka . Hainao hazavaina ve izany ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM