Alarobia 26 Jolay 2017 .
Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany .
Matio 24.1-14
Mitandrema !
1-Misy hilaza azy ho irak’ Andriamanitra kanefa sandoka .
Efa nampitandrina i Jesoa fa hisy tokoa ny ho avy amin’ny anarany ka hisandoka ho Kristy . Hisy koa ny hilaza azy ho iraka mpitondra ny hafatr’ Andriamanitra kanefa tsy izy . Araraotin’ny sasany ny fotoana hiandrasana ny fiavian’ny Tompo mba hamitahana ny maro . Soa fa efa nampitandrina antsika ny Tompo koa , mitandrema ! Misy tokoa ny olona mitety vohitra sy tanàna mitono-tena sy misora-tena ho Kristy ankehitriny . Tokana i Kristy ambaran’ny Soratra Masina sy ny fanekem-pinoantsika .
2-Misy famantarana vao ho avy ny farany
Ambaran’i Jesoa mazava tsara eto fa hisy famantarana maro hiseho , mialohan’ny hiavian’ny farany . Ny famantarana dia natao hiomanan’izay mahafantatra ny heviny . Manaiky ho iraka vavolombelon’ny Tompo isika ka miomana sy miambina fatratra ,satria efa miseho lany etsy sy eroa ireo famantarana nambaran’i Jesoa . Maharitra amin’ny finoana an’i Jesoa ihany koa isika irany no sady miezaka ny hitory ny Filazantsara amin’ny firenena rehetra . Izay miandrandra ny hiavian’ny Tompo indray dia tsy maintsy miezaka amin’ny fitoriana ny fampielezana ny Filazantsara .
Fanontaniana:
Inona avy no voalazan’ny fanekem-pinoana momba an’i Kristy ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM