Hafatry ny Filoha II / Jolay 2017
Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara
Ka ny hamaroan’ny ratsy,
ny fihanaky ny loza,
ny hatevin’ito haizina
izay manarona ny tany,
sy ny loto tsy hita intsony,
manempotra ny fiainantsika,
aza ataonao mahakivy,
aza ataonao fialana
hampiraviravy tanana,
ka hanjary hialana tsiny
tsy hitenenanao intsony
O, diso ianao :
Fa moa tsy ny haizina
Iny indrindra no ilana
Ny fanilonao hirehitra ?
Moa tsy ny olana mihitsy
No fanoitra hanainga antsika
Mba hitady vahaolana ?
Moa ve tsy ny halotoana
No mihantsy antsika rehetra
Hanadio ka hanadio ?
Fa iza no salama saina
Hanadio izay tsy maloto ?
Koa raha misy re ny haizina,
Itondray ny fahazavana !
Koa raha misy re ny aretina,
Ento eo ny fanafody !
Koa raha misy ny hadalana,
Ento eo ny fahendrena:
VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !
IRAKO Andriamahazosoa Ammi
Filohan’ny FJKM