Alahady 15 Janoary 2017

VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO

1 Jaona 1.5-10

Mandehana araka izay nampianarin’ny Tompo

Ity taratasy nosoratana ho an’ny Fiangonana ity  dia mampiharihary ny toetra sy fampianaran-diso nataon’ireo mpitory sandoka. Nomen’i Jaona Apostoly famantarana ny Fiangonana araka ny voalaza eto, ka sady ambarany ny ataon’ireo mpitory tsy marina no toroany làlana ny mpino .

1-Manaova ny marina

Ny and 6 dia sady mitaona ny mpino  hanao ny marina no manakiana ireo mpampianatra sandoka izay milaza ny tenany  ho mitoetra amin’ny mazava, sady miombom-piainana amin’ny Tompo , nefa mifanaraka amin’izany ny fiainany fa feno aizina . Ny « maizina » dia enti-milaza ny faharatsiana rehetra , ny fahotana izay raran’ny Soratra masina ka tsy tokony ho hita soritra eo amin’ny fiainan’ny mino , nandray ny Filazantsara . Mpino isika ka ampifanaraho amin’ny Tenin’ Andriamanitra loharanon’ny fahazavana ny fiainantsika . Amin’izay dia sady ho olo-marina isika no manam-piraisana amin’ny Tompo .

2-Aza manamari-tena

Ny and 8-10 dia mitaona antsika hiaiky  sy hanaiky  fa tsy  misy marina isika na dia iray akory aza. Andriamanitra irery ihany no marina sady tsy manana ota . Isika rehetra dia samy efa nania avokoa. Koa aza mihevi-tena ho marina , fa tsy fomba ahazoantsika famonjena izany , satria na dia i Jesoa aza dia tsy tonga hiantso ny marina . Vavolombelona mahatoky amin’ny famelankeloka ny Tompo rehefa miaiky ny fahotantsika isika .

Fanontaniana:

Nahoana tokoa no tsy ny olo-marina no antsoin’i Jesoa ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV