Vavaka sy fanokafana ny Taom-piasana 2017 .

FIANTSOANA SY FANASANA.

“Ny Foibe FJKM dia faly manasa antsika am-pitiavana amin’ny fanompoam-pivavahana hitondrana am-bavaka ny Filohan’ny FJKM sy ny ankohonany ary ny asan’ny Fiangonana mandritry ny taona 2017.

Izany dia hotontosaina ao amin’ny Coliseum Antsonjombe, amin’ny Alahady 15 janoary 2016 maraina , manomboka amin’ny 10.30mn. Ny fampidirana olona dia hanomboka amin’ny 6ora maraina . Hisy ny fanentanana samihafa ifandrombonan’ireo Antoko Mpihira notsongaina manomboka amin’ny 8 ora .  Tsara raha mivimbina rano , satroka ,satria mafana dia mafana ny andro eto andrenivohitra .

Samia mandamina ny fandaharam-potoany avy ny Kristiana sy ny isam-piangonana . Ento ambavaka izany fotoan-dehibe izany .Tongava marobe isika  ho Voninahitry ny Tompontsika .

« Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika … »2 Tim 1.8a

 

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV