Talata 01 Janoary 2019.

Tonga  Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana . Efes 2.17

Andriamanitry ny fiadanana anie ho aminareo rehetra . Rom 15. 33

Tratry ny taona , mirary soa

Araka ny fanao dia marobe ny hafatra ifampiarahabana hoe : « tratry  ny taona »  ifanaovan’ny mpihavana , mpinamana, mpiara-miasa, mpiara-monina  raha vao manomboka ny taona .An-tapitrisany ny hafatra ampitaina  amin ‘ny alalan’ny finday ary misy foibe internet manolotra fomba firariantsoa  hafakely mba hahazoan’ny olona tsirairay mirary « zava-tsoa » ho an’ny tapaka sy namana , ho  amin ‘ny fiainany ho avy, na dia mety tsy tena mino izany tanteraka akory aza izy .

Ny Baiboly kosa dia mitondra hafatra manambara zavatra tsara sy azo antoka  ho an’ireo rehetra manaiky handray izany :

  • Ny vaovao mahafaly momba ny nahaterahan’ny Mpamonjy dia i Jesosy Kristy (Lioka 2.10). Andriamanitra dia tonga olona teo anivon’ny olombelona . Zava-dehibe fototra ho an’ny fahasambarantsika izany tranga izany .
  • Ny vaovao mahafaly  milaza fihavanana (Rom 5.1, Efes 2.17) . Azo antoka  ny fihavanana amin’ Andriamanitra  ho an’izay mino  ny asa nataon’i Jesoa Kristy  izay maty teo amin’ny hazo fijaliana  mba ho famelana ny fahotan’ny io olona mino io . Ambonin’izany ny fiadanana anaty dia mitoetra ao anatin’izay manankina ny fiainany amin’ny Mpamonjiny.
  • Ny fanantenana tsara ( 2 Tes 2.16) , ho an’ny mpino tsirairay , dia ny fanomezan-toky momba ny any ankoatra feno voninahitra , ao am-paradisan’ Andriamanitra miaraka amin’i Jesoa (Lioka 23.43).
  • Mandraka ankehitriny    ny olona mitoky amin’ Andriamanitra dia toy ny hazo ambolena eo amoron-drano , tsy hitsahatra hamoa  na dia mandalo toe-javatra sarotra aza (Jer 17.7-8). Ataon’ Andriamanitra hitondra soa ho azy ny zavatra rehetra (Sal 57.2). Noho izany dia afaka hiatrika am-pilaminana ny zava-tsy fantatra entin’ny taona vaovao eo am-piandrasana an’i Jesoa izay mbola hiverina indray .

« Ilay voa tsara nafafy »

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV