Alatsinainy 10 Desambra 2018.

Fandalinana ny Boky 1 Samoela 

1 Samoela 21.1-16

Mizara roa ity tantaran’i Davida novakintsika ity :

1-Ny diany tao Noba 

Efa  any am-pandosirana  hamonjy ny ainy  noho ny fitadiavan’i Saoly  hamono  azy i Davida  izao  . Nitady vatsy sy fiadiana izy ary nomen’i Ahimeleka mpisorona . Ny  nomena azy dia « mofo masina » satria mofo aseho eo anatrehan’ Andriamanitra ary io mofo io dia ny  mpisorona  ihany  no  mahazo mihinana azy . Notsiahivin’i Jesoa ity tantara ity raha nanankiana ny  mpianany ny Fariseo (Mat 12.3-4) .Mariho ny fahamasinana notakiana taminy tamin’ny fandraisana izany . Fahamasinana takiana amintsika rehetra koa izany  amin’ny fandraisana ny fanasana masina

2-Ny diany tany Gata 

Tany am-pitsoahana izy dia tsy nahatsiaro tena ho voaaro intsony  tamin’ny tanin’ Israely ka lasa nankany  amin’ny tanin’ny  Filistina . Olo-malaza anefa izy ka tadidin’ny olona ny fiderana azy fony nandresy an’i Goliata . Saika nahita loza izy raha tsy nody adala . Ary io  no nanavotra ny ainy .Làlana mahagaga namonjen’ Andriamanitra  azy io ary nahavelom-piderana azy ka nandrafetany ny Salamo faha-34 (vakio ny fiandohan’io salamo io).Soa ihany fa Andriamanitra be famindrampo ny Andriamanintsika ka manaiky hamonjy antsika amin’ny fomba toa adaladala eo imasontsika olombelona aza.

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV