Alakamisy 16 Aogositra 2018
Mitsangana hanohitra ny herisetra
Mpitoriteny 9, 11-16
Tohero ny herisetra.
Toa efa zary zava-poana araka ny filazan’ny Mpitoriteny azy ny fiainana ankehitriny noho ny firongatry ny herisetra. Mila toherina ireny kanefa :
1 – Tohero am-pahendrena izany
Fampiasan-kery no nataon’ilay mpanjaka eto (and 14). Voatohitra anefa izany noho ny fanoherana tamim-pahendrena nataon’ity lehilahy iray mahantra kanefa nanam-pahendrena (and 15). Ilaina ny manohitra ny herisetra saingy tsy maintsy atao am-pahendrena izany, indrindra amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fahafantarana ny sitrapony fa izany no atao hoe : fahendrena (Oha 9.10). Ianaro i Jesoa nanohitra ny herisetra natao taminy tamin’ny fahendrena.
2 – Tohero na dia hery tsy mitovy aza.
Ny an’ilay mpanjaka hery ara-tafika sy fahefana. Ny an’ilay lehilahy mahantra kosa tsy misy afa-tsy ny fahendrena. Ny hery tokoa tsy mahatohitra ny fanahy feno fahendrena avy amin’Andriamanitra (and 16a). Tohero amin’ny herin’ny fahendrena izay omen’ny Tompo antsika ny herisetra sy ny fampiasan-kery ary ny fanaparam-pahefana fa ny herin’ny Tompo dia tanterahina amin’ny fahalemena. Mety tsy ahitana sitraka na mety hohadinon’ny olona ny soa natao kanefa ny Tompo mahay mamaly fitia ny olon-kendry.
Fanontaniana :
Fahendrena manao ahoana no tokony hanoherana ny herisetra ?