Biografia/ Pasteur RAKOTONIRINA Charles

Fa iza  moa Pasteur Charles RAKOTONIRINA ?

« ARY HO FITAHIANA TOKOA IANAO » (Gen 12/2b)

Tamin’ny Septambra 2009 izy no nanomboka nitondra ny fiangonana tao Montrouge (fony mbola teo an-dalam-piovana hanaraka ny Rafitra FJKM voafaritry ny Fotodalàna sy Fitsipika FJKM io Fiangonana io). Ny hiasa sy hitondra fitandremana no nivononany hatao rehefa nisafidy ny tsy hanao Sekretera Jeneraly FJKM intsony teo amin’ny fiafaranan’ny fotoam-piasana (2ème mandat) izy.
Zanaky ny faritr’Imamo izy mivady, ka ny lahy dia avy ao Ambohibao atsimo andrefan’Ambohimanoa, avaratr’ANTONGONA (Imerintsiatosika), fa ny vavy kosa dia avy ao Ampahimanga (Efa-dreny).
Telo mianadahy ny zanak’izy mivady, roa vavy ary iray lahy, samy efa manam-bady sy niteraka daholo ireo;ary misy diakona sy biraon’ny Sampana any amin’ny Fitandremana any an-tanindrazana, FJKM Ambatomena ,SP Antananarivo Andrefana (n°10), izay fitandremana nitaiza sy nahabe azy mianakavy.Zanaky ny Toby fifohazana Farihimena izy, ary niofana sy natokana ho Mpiandry tany amin’ny Toby Ankaramalaza tamin’ny taona 1978.

mpitandrina_rakotonirina_charles

FIOFANANY : Taorian’ny fianarana ankapobeny (enseignement général) sy ny fianarana manokana momba ny Fitantanan-draharaha sy ny fitantanam-bola (Comptabilité et Gestion), dia niditra nianatra TEOLOJIA teny amin’ny Kolejy Teolojika Ivato izy ary namarana izany sy nanomboka ny ASA PASTORALY ny taona 1980. Sady namarana ny taona fahaefatra (4ème année) momba ny Teolojia teny Ivato izy no nitondra ny fjkm tao Ambohibe Ilafy. Ary rehefa tena nivoaka ny TOERAM-PANOMANANA dia voatendry nitondra ny FJKM Antoby/Anjozorobe, Synodamparitany faha-26 tao amin’n’ny sahan’ny FJKM, izay nampiarahiny tamin’ireo adidy nanendren’ny Synodamparitany azy.
Ireto avy ireo andraikitra nahavoafidy azy sy notanterahiny tao amin’ny Synodamparitany faha-26 :

  • Filohan’ny Sampana Fifohazana Synodamparitany,
  • Filohan’ny Sampana Tanora Kristiana Synodamparitany,
  • Filohan’ny Synodamparitany faha-26.
  • Nitantana ny Faritany CNaPS tamin’ny Faritany Voalohany : Ambohimanga, Ankazondandy Ambatomanoina, Anjozorobe.

Fa ny niantsoan’ny Foibe,sy nahavoafidy azy teo amin’ny sehatry ny asa iombonana kosa dia :

  • Membre du Comité National pour les Finances et du Budget de la FJKM.
  • Chargé des Finances et du Developpement, membres du Bureau National FJKM : 1989 – 2000
  • Membre du Conseil d’Administration du Departement Developpement FJKM (SAF) : 1992 – 2008
  • Membre du Conseil d’Administration de la SOCIETE BIBLIQUE MALGACHE : 2002 – 2004
  • Directeur du Journal MARTURIA/VAVOLOMBELONA : 2002 – 2008
  • Membre representant la FJKM au sein du COUNCIL for WORLD MISSION, CWM : 1996 – 2008
  • Secretaire General FJKM : 2000 – 2008
  • Membre du Conseil National (Mpiandraikitra Foibe) : 2000 – . . .
  • Secretaire du 37è Synode Regional VATO FEHIZORO AMPITANDRANOMASINA, Europe : 2009 – . . .

IRETO NY ASA SORATRA NANAOVANY FIKAROHANA MANOKANA :

  1. Ny Baiboly Malagasy : fiandohany sy ny tantarany ary ny anjaratoerany eo amin’ny Fiangonana sy ny firenena:notohanany tamin’ny fahazoana ny Diplome d’Etudes Théologiques
  2. Le Dieu de l’Histoire, selon l’Exode : notohanany tamin’ny fahazoana ny Maîtrise en Theologie tany amin’ny Faculté de Théologie.
  3. Ny Fanekem-pinoana Apostolika sy ny Fiainan-tsy hita.
  4. Ny Adidy ao amin’ny Fiangonana : heviny, antony sy toerany.
  5. Ireo ilaina ho fantatra momba ny AROFENITRA TSOTRA (protocole) eo amin’ny Fiangonana.
    Ireo àry no tsara ho fantatra momba ny Mpitandrina Rakotonirina Charles, ka dia HO AN’ANDRIAMANITRA IRERY ANIE NY VONINAHITRA tamin’ izay nataony sy mbola ataony amin’ny mpanompony ary ny fiangonana sy ny Synodamparitany nanendrena azy sy maha mpikambana azy ao anatin’ny Birao Mpitondra izany Synodamparitany izany

mpitandrina_rakotonirina_charles_mivady

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV