Alarobia 25 Aprily 2018.

Manolotra ny  fiainany  ny Tompo 

Marka 10.28-31

Ny  tombotsoan’ny  fanolorantena ho  an’ny Tompo  sy ny Filazantsara 

1-Tombotsoa amin’izao  andro ankehitriny  izao

Ambaran’ny and 29-30  fa fiombonam-piainana vaovao  ao  anatin’ny  fiainam-piankohonana vaovao , mihoatra  lavitra  (avy zato  heny ) noho ny teo aloha  no  raisin’ny  mpino  izay  mahafoy noho  ny amin’i Kristy  sy ny Filazantsara . Tsy manam-panahiana fa  tsy maintsy  honeran’ Andriamanitra  izay rehetra  nafoy . Manjary  miaina fiainana  tsara lavitra  sy ambony lavitra  mihoatra  ny teo aloha . Ambonin’izany  aza dia ambara  fa mbola hisitraka fanenjehana , izay  mariky  ny fiainan’ny  mpanara-dia an’i Kristy  ny  mpino  .

2-Tombotsoa amin’ny andro ho avy 

Misokatra midanadana ho  an’izay  nampandefitra  ny fanjakana mety lo tety  an-tany , noho ny  amin’ny  Tompo sy  ny  Filazantsara , ny varavaran’ny  fiainana mandrakizay . Fiainana miavaka  , tsy azo  ampitahaina amin’ny haren’izao tontolo izao  sy izay rehetra  momba azy  izany . Fiainana tsy  misy nenina , tsy  mahafaty  antoka, fa  tsara  tantana sy  ampy  mizara ho  an’ny  mpino  rehetra , araka  ny  fanoharan’i Jesoa  ao  amin’ny  Matio 19.30-20,16 . Kendreo  mba hibanjina ny fiainana mandrakizay  ny fahafoizantena ataontsika .

Fanontaniana:

Iadio hevitra  ny hoe: tombotsoan’ny mpino  ny fanenjehana.

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV