Alahady 22 Aprily 2018.
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Amosa 5.4-7
Izay te-hahazo fiainana sy fahavelomana
1-Ny fombafombam-pivavahana fotsiny
Mila averina amin’ny fahitsiana ny fanompoana hatao ao Betela sy Gilgala , renivohitry ny fivavahan’ireo Zanak’ Israely . Tsy sitrak’Andriamanitra mihitsy mantsy ny fivoriana haroharoana faharatsiana (and21-22). Miankina tanteraka amin’ny fiverenana amin’ Andriamanitra ny fanasitranana ny tany voafidin’ Andriamanitra . Tsy miankina amin’ny toerana maha-velona sy akaiky an’ Andriamanitra, fa ny toe-po entina mitady Azy marina. Andriamanitra tsy voafaritry ny toerana mantsy Izy , fa Mpahary ambonin’izao rehetra izao.
2-Katsaho ny rariny sy ny marina
Vanimpotoana nanjakan’ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana ny andron’i Amosa mpaminany . Nanjaka ny tsindry hazo lena , ny kely tsy mba mamindro ary ny tsindrio fa lavo sy izay toy izany (and11,12). Antony lehibe nandringanan’ Andriamanitra ny vahoaka izany . Koa izany no iantsoana azy ireo hiala amin’izany . Andriamanitry ny fahamarinana ny Andriamanitry ny Baiboly. Koa miantso miantso ny mpanara-dia azy hikatsaka izany ho fototry ny fahavelomana marina tokoa.Amin’izao fotoanan’ny tsy fahamarinana izao dia miantso ny zanaky ny fiangonana manana andraikitra rehetra eto amin’ny firenena hampanjaka marina ny rariny sy ny hitsiny .
Fanontaniana:
Aiza no hitadiavantsika an’ Andriamanitra?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM