Zoma 08 Desambra 2017.
Vavolombelon’ny fitiavany ny TompoEfesiana 2.1-10
Maneho fitiavana antsika ny Tompo
Endrika maro no hanehoany izany . Ireto no santionany ho antsika anio :1-Famelomana aina :
« Ary hianareo dia efa novelominy fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo » (Efes 2.1). Fahafatesana no tambin’ny ota . Izay miaina amin’ny rehaka izao fiainana izao dia efa mizotra amin’ny fahaverezana . Soa fa teo i Jesoa , mamelona antsika indray tamin’ny nanolorany ny tenany.
2-Famindrampo sy fitiavana :
« Fa Andriamanitra izay manankarena amin’ny famindrampo , noho ny halehiben’ny fitiavany izay nitiavany antsika » (Efes 2.4) . Rehefa eo ny fitiavana dia manaraka ho azy ny famindrampo , tsy sarotra ny mamela heloka ny olo-tiana . Zava-dehibe ho an’ny mpino io famindrampon’ Andriamanitra io .
3-Fananganana sy fanarenana:
« Ary niara-natsangany isika... » (Efes 2.6). Na teo aza ny fandehanana araka ny fomban’izao tontolo izao sy ny hetraketraky ny devoly izay mpanapaka ny fanjakany eny amin’ny rivotra , dia eo indrindra ny Tompo manangana sy manarina . Ka izay atsangana sy arenina dia takiana hiala amin’ny toerana nahalavo azy ary handroso amin’ny làlam-baovao araka ny fitarihan’ny Tompo.
Fanontaniana:Ny fitiavana no paikady mahomby ho fananganana sy fanarenanana mihoatra noho ny famaizana sy ny latsalatsa . Nahoana ?Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM