Sabotsy 16 Septambra 2017 .
Aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo
1 Timoty 4.13-16
Ny olom-boafidy
Paoly Apostoly no manome toromarika ho an’i Timoty mba hahafahany manatanteraka ny asa fanompoana .
1-Manatanteraka tsara ny andraikitra nifidianana azy
Asa fanompoana manokana no nifidianan’ny Tompo an’i Timoty :ho mpanompon’ny Tenin’ Andriamanitra , hitory sy hampianatra ny Tenin’ Andriamanitra . Ny fanatanterahany izany dia maneho fa mitoetra ho mahatoky amin’ny andraikitra nifidianan’ny Tompo azy izy .Sarotra ny andraikitra apetraka aminy kanefa takiana mba hananana fandavantena , finiavana , faharetana izy . Mitaona antsika koa izany . Aoka hataontsika tsara ny asa fanompoana amin’izay nifidianan’ny Tompo antsika .
2-Mizara famonjena ho an’ny hafa
Ampahatsiahivina eto fa rehefa manatanteraka tsara ny asa fanompoana nifidianana azy i Timoty dia tsapan’ny olona ny fandrosoany . Fandrosoana amin’ny finoana sy ny fitiavana an’i Jesoa Kristy Ilay nifidy azy .Tsy mampianatra na mitory ny Tenin’ Andriamanitra fotsiny mantsy izy fa mandray izany koa ho fitondrana ny fiainany . Mitoetra ao amin’ny famonjen’i Jesoa Kristy izy amin’izany .Ireo izay mifanerasera aminy koa dia dia ho resy lahatra handray ny famonjena nataon’i Jesoa Kristy amin’ny hafa ny mpino miaina amin’ny Tenin’ Andriamanitra toriny sy ampianariny .
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy ahafahanao miaina marina amin’ny Tenin’ Andriamanitra ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM