Alakamisy 22 Septambra 2022

ISAIA 53.4-9

Nikely aina tamintsika ny Tompo

1-Nitondra ny aretintsika

« nitondra ny aretintsika tokoa Izy » (and 4) .Vokatry ny nataontsika olombelona dia maro ireo setrin’izany , izay tokony nihatra tamintsika toy ny fijaliana , fanaintainana, aretina, ratra , kanefa nentin’ny Tompo .Maneho an’i Jesoa mpanasitrana izao fitondrany ny aretintsika izao .

2-Nivesatra ny fahoriantsika

« sady mivesatra ny fahoriantsika » (and 4b) .Tsy miady irery isika fa eo hatrany Jesoa mitondra ny fahoriantsika .Miantso antsika izay miasa fatratra sy mavesatra entana ny Tompo ary mampanantena fitsaharana ho antsika (Mat 11.28). Apetraho Aminy ny fanahiantsika rehetra .

3-Voalefona noho ny fahadisoantsika

Voasoratra fa « fahafatesana no tambin’ny ota « (Rom 6.23) .Isika no tokony ho faty noho ny fahotantsika .Jesoa kosa no nanolo-tena ka nolefonina hisolo antsika .Tia antsika nyTompo . Nahafoy ny ainy hamonjy ny sakaizany Izy .

4-Nisolo vaika ny helontsika Izy

« ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helontsika rehetra  » (and6). Ny fahadisoantsika rehetra ,ny tsy fahombiazantsika ,ny tsy fahatrarantsika ny tanjona sy ny fanamby izay napetraka tamintsika dia nafatratra tamin’i Jesoa avokoa. Mitaky fandinihan-tena avy amintsika izany .

5-Tsy niloa-bava akory

Afaka nandà tanteraka ny fiampangana sy ny fampijaliana nihatra taminy ny Tompo, nefa tsy niloabava Izy (and7) .

Fanontaniana :

Inona avy ireo fanehoam-pitiavana nasehon’nyTompo anao, inona no andrasany aminao ho setrin’izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV