Alahady 08 Mey 2022

JAONA 7.37-44

Jesoa no mahafaka hetaheta

Tsy ny rano ihany no mampangetaheta fa ny faniriana tsy mety tanteraka dia mety mampangetaheta ny olona avokoa.

1-Miantso izay mangetaheta hanatona Azy Jesoa (and37)

Ny andro farany izay andro lehibe indrindra tamin’ny andro firavoravoana teo amin’ny Jiosy no nanaovan’i Jesoa fanambarana tamin’izay rehetra nanatrika teo hoe : « Raha misy olona mangetaheta , aoka izy hanatona Ahy ka hisotro » (and37) .Mifandraika amin’ny fahatsiarovana ny hetaheta nahazo ny zanak’Israely tany anefitra izany fanambarana izany .Tamin’izany , rehefa nangetaheta mafy ny olona dia nanehoan’Andriamanitra fahagagana tamin’ny alalan’ny fanomezana rano avy tamin’ny harambato .Tiany ampahafantarina izay rehetra mihaino azy ,fa hetahetam-panahy no mahazo ny olona ankehitriny ka tsy hahitany fitoniana .Izay rehetra manatona sy mino Azy ka manaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy eo amin’ny fiainany no tsy hangetaheta intsony .

2-Manome ny Fanahy Masina Izy (and38)

« izay mino Ahy dia hisy onin’ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony , araka ny voalazan’ny Soratra Masina «  (and38) . NY hevitr’izany dia izao : izay rehetra mino Azy dia ho feno ny Fanahy Masina . Jesoa dia efa nilaza hoe : « Fa hahazo hery ianareo amin’ny hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo » (Asa 1.8) .Ny Fanahy Masina no hery handresena ny fahotana (Gal 5.16-17) , manampy amin’ny fahalementsika (Rom 8.26) , hery manavao sy mamelona fanantenana maharitra mandrakizay , manolo-tsaina amin’ny fivavahana (Efes 2.18) .Ny Fanahy Masina no toy ny ranovelona miboiboika avy ao anaty ka mahatonga ny olona ho feno fifaliana marina sy fiadanam-po tanteraka .

Fanontaniana :

Manaiky ny fitarihan’ny Fanahy masina ve ianao ? Hazavao

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV