Talata 11 Janoary 2022

Marka 12. 28 – 34

Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra

Maro amin’ny olona, na dia ny milaza azy ho Kristiana aza, no tahaka an’ity mpanora-dalàna ity.  » Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao », hoy i Jesoa.

1- Tsy lavitra saingy tsy ao anatiny fa any ivelany

Rehefa novalian’i Jesoa ny fanontanian’ireo Sadoseo dia nisy mpanora-dalàna iray indray nanantona Azy, nanontany hoe: Inona no voalohany amin’ny didy rehetra? Namaly izany tamin’ny fomba mazava Jesoa ka nampiaiky azy ny valin-tenin’i Jesoa. Ny mampalahelo dia olona mba nahalala ny Soratra Masina ihany, olona tia vavaka, olona efa niresaka tamin’i Jesoa, sady manaiky ny fampianaran’i Jesoa no tombanany hoe: « Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao ». Aiza ho aiza àry ny toerana misy antsika? Mbola lavitra sa akaiky? Anatiny sa ivelany?

2- Mahalala, saingy tsy mankato

Resy lahatra ity mpanora-dalàna ity fa marina sy mahitsy ny valin-tenin’i Jesoa, ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana no lehibe indrindra. Jiosy tia vavaka ity mpanora-dalàna ity no sady mahira-tsaina, ka nahatakatra izay nambaran’i Jesoa . Tsy ampy hahatafiditra ny olona any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ny fahalalana ara-tsaina fotsiny ny lalàn’Andriamanitra. Ary tsy natao hisehosehoana ivelany fotsiny ny fanaovana izany fa ho vokatry ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fitiava-namana. « Fa aoka ho mpankato ny teny ianareo, fa aza mpihaino ihany ka mamitaka ny tenanareo ». (Jak.1.22).

Fanontaniana:

Mahalala ny sitrapon’Andriamanitra kanefa tsy mankato . Inona no antony?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV