Alatsinainy 24 Jolay 2017 .
Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany.
Lioka 8.38-39
Izay nandray ny famonjena avy amin’ny Tompo.
Nohafahan’i Jesoa tamin’ny asan’ny demonia izay namatotra azy ity lehilahy iray ity . Nirahina hampiely ny vaovao mahafalin’ny famonjen’ Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy izy taorian’izany . Izay nandray ny famonjena avy amin’ny Tompo. Noho izany dia :
1-Irahina hanambara amin’ ny ankohonany
Nasain’i Jesoa niverina ho any amin’ny ankohonana niaviany ity rehefa avy nandray ny famonjena . Iraka lehibe nampanaovina azy amin’izany ny hilaza amin’ny ankohonany izay nataon’i Jesoa taminy . Eo anivon’ny ankohonana no hanirahan’ny Tompo antsika voalohany indrindra hitory sy hijoro vavolombelon’ny asa mahagaga nataony tamintsika . Koa aza menatra ny hijoro vavolombelon’ny Tompontsika eo anivon’ny ankohonana misy antsika tsirairay avy .
2-Tery am-panahy hampiely ny vaovao mahafaly
Nanaiky ho iraky ny Tompo hanambara ny asa lehibe nataon’ Andriamanitra taminy ity lehilahy ity . Tsy nianona teo amin’ny ankohonany ihany fa nampiely izany eran’ny tanàna koa. Tsy nanirahan’ny Tompo azy io , saingy tery am-panahy kosa izy nanao izany noho ny fahatsapany ny maha-zava-dehibe ny famonjena noraisiny . An-tsitrapo no hanekena ho iraka hanambara ny famonjen’ Andriamanitra . Tokony ho tery am-panahy hanao izany isika amin’ny sehatra rehatra misy antsika araka ny tenin’i Paoly Apostoly hoe: « fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay » ( 2 Kor 5.14) .
Fanontaniana:
Inona no sakana tsy nahafahana mitory amin’ny ankohonana ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM