Alarobia 21 Jolay 2021

MARKA 10.46-52

Ny olona mandre ny antsom-pamonjen’iJesoa Kristy

1-Maika hanatona Azy

« Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’i Jesoa » (and50)

Rehefa avy niantso famindrampo tamin’i Jesoa Zanak’i Davida i Bartimeo jamba ,dia nanary ny lambany sy niantsambotrambotra nanatona an’i Jesoa . Nafoiny ny lamba firakofany , fanangonany sakafo sy vola fanomezana azony , satria maika handray ny famonjena avy amin’i Jesoa Kristy izy . Rehefa mandre ny antsom-pamonjen’i Jesoa Kristy ny olona dia tokony ho maika hanatona an’i Jesoa , mahafoy izay zavatra heverina ho sarobidy eo amin’ny fiainana aza noho ny hamehana handray ny famonjena . Koa araraoty ny fanatonana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy . Aza avela hisy hahasakana ana amin’ny fanatonana Azy mba hahazoanao famonjena .

2- Manambara Aminy ny faniriany

« …Rabony ô, ny mba hampahiratina ny masoko » (and51). Rehefa tonga teo amin’i Jesoa Kristy i Bartimeo jamba dia nanontanian’i Jesoa azy izay iriny . Tamin’izany , dia tsy nisalasala i Bartimeo nanambara ny hetahetany dia ny hampahiratina ny masony . Noraisin’i Jesoa ho endriky ny finoana avokoa izany nataon’i Bartimeo izany ka dia sitrana izy . Rehefa matoky sy mino fa i Jesoa Kristy tokoa no Mpamonjy ny olona manatona Azy , dia ho tonga amin’izany olona izany ny famonjena . Mariky ny finoana ny fanatonana sy ny fanambarana amin’i Jesoa Kristy ny olana izay mahatery ny olona . Koa manatona an’iJesoa Kristy amin’ny finoana tsy misy fisalasalana . Ambarao azy ny olana dia hovonjena ianao .

Fanontaniana :

Inona ny fihetsika raha mandre ny amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV