Alahady 20 Jona 2021

1Petera 4.1 – 6

Ny mino miorina tsara dia:

1- Maka tahaka an’i Kristy (and. 1-2)

Ilay fakan-tahaka eto dia tena fanahafana sy fandehanana araka izay nataon’i Kristy. Misy ny olona milaza fa tsy tokony hiaritra fahoriana isika , satria efa nataon’i Jesoa izany, fa ny antsika dia fiadanana sy fahasambarana ihany. Efa resin’i Jesoa ohatra, hoy izy ireo, ny fahafatesany dia fiainana ho antsika. Fa izay ambaran’i Petera eto dia ilay fiaretana tamin’ny nofo izay nataon’I Kristy nandreseny ny ota izay nangeja antsika. Izany dia mampiseho fa fahavalo azontsika resena tsara ny nofontsika , izay mitondra sy mandavo antsika amin’ny fahotana. Mbola lavitra ny làlana handehanantsika ambara-piavin’ny Tompo , ka mila miambina mandrakariva isika. Izany no iavahantsika amin’ny olon’izao tontolo izao (Mat.5.14). Mba hahafahantsika mahatanteraka izany dia tsy maintsy mitafy an’i Kristy isika.

2- Miala lavitra sy manakaiky (and.3-6)

Rehefa voatanisan’i Petera avokoa ireo zavatra sy fanao ratsy fahiny izay tsy tokony hiainana intsony amin’izao andro iomanana amin’ny fiavian’ny Tompo izao, dia manondro toeram-baovao izy, dia fahitana ary miha-manakaiky ny fahasoavan’Andriamanitra. Tonga tsy hisy heviny ary mijanona ho fihetsika foana ny tsy fanaovana fahotana nefa tsy miala eo. Ny fialana amin’izany dia tsy fifindrana tontolo vaovao fotsiny ,fa fiomanana ho amin’ny mandrakizay mihitsy satria hotsaraina araka ny ataony isika rehetra. Koa ny olona miala lavitra ny fahotana dia miroso manakaiky ny fiainan-danitra. Miala amin’ilay fanamelohana mandrakizay,ka miditra amin’ny fiainam-baovao araka ny Tenin’I Tompo hoe :  » Fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy« .(Jao.5.24)

Fanontaniana:

Aiza ny toerana misy anao ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE-FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV