Alakamisy 10 Jona 2021

DEOTERONOMIA 20.1-9

Fomba ho enti-mandresy amin’ny ady

Toromarika sy torolàlana nomen’i Mosesy ny zanak’Israely ity mofonaina ity . Toromarika ho enti-mandresy ny fahavalo amin’ny ady . Raha te-handresy amin’ny ady dia mila :

1-Mahatsiaro fa an’Andriamanitra ny ady (and 1)

Na maro toy ny ahoana aza ny fahavalo , na matanjaka toy ny ahoana , rehefa Andriamanitra no miady ho antsika dia tsy hisy maharesy antsika . Nampahatsiahivin’i Mosesy ny zanak’Israely izany . Mbola marina mandraka androany izany . Aza miady irery , aoka hiara-dàlana amintsika amin’ny adintsika Andriamanitra dia handresy isika araka ny and 4 « fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ny fahavalonareo mba hamonjy anareo« .

2-Mifampahery (and 2-4)

Ny adidin’ny mpisorona eto dia mampahery ny vahoaka amin’ny ady atrehany . Ilaina dia ilaina tokoa mantsy ny fampaherezana eo anatrehan’izay ady atrehana . Aza mba manadino ny mpampahery ny namana miatrika ady . Adidy maha- kristiana izany . Hafatr’i Jesoa tamin’i Petera izany : « ampaherezo ireo rahalahinao » (Lio 22.32).

3-Mankato ( and 5-9)

Ny fanarahana ny tenin’ny mpifehy eto no nampahomby tamin’ny ady . Tsy misaraka amin’ny fankatoavana ny fandresena amin’ny ady rehetra . Ny fanarahana tsara ny Tenin’ny Tompo no fomba mahomby indrindra ho enti-mandresy ny karazam-pahavalo rehetra . Efa nomen’i Jesoa ny toro-làlana ho enti- mandresy eto amin’izao tontolo izao .

Fanontaniana :

Inona avy ireo toro-mariky ny Tompo ho enti-mandresy amin’ny ady eto amin’izao tontolo izao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV