Alarobia 07 Aprily 2021

HOSEA 13.14-15

Mpanavotra tokana sy azo antoka

1-Tsy mamela antsika ho very

Ny voalaza eo alohan’ity perikopa ity dia manambara ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny fahotana vitan’ny Zanak’Israely . Aseho tahaka ny vehivavy hiteraka eo amin’ny and 13 izany . Raha dinihana ny zavatra ataon’ny olona dia miroso mankany amin’ny fahotana , ny valin’izany anefa dia ny fahafatesana ( Rom 6.23) . Raha ny vitantsika olombelona dia tsy mba mendrika ny ho velona manoloana ny fahotana vitantsika isika . Ny antony tokana tsy hahavery sy tsy handringanana antsika noho ny hadalantsika dia i Jesoa manome fiainana ho antsika . Tsy misy na dia kely aza mety ho fandraisantsika anjara ho amin’ny famonjena antsika fa asany madio rano izany (Rom 5.8) .

2- Tsy manova ny tanjony

Ny tanjon’Andriamanitra manoloana ny olony dia tsy mba miova na inona na inona ataon’ny olona . Eny , tsy miova ny tanjon’Andriamanitra , fa Izy no Mpamonjy amin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita ary ny helo . « Jesoa Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay  » Heb 13.8 . Tsy manankery ny olona manoloana ny herin’ny fiainan-tsy hita misintona sy misambotra azy , saingy Andriamanitra manavotra ny olona tsy azon’ izany . Izao fihantsiana atao amin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita izao dia ateraky ny fanantenana mavesa-danja amin’ny fanavotana tsy miova avy amin’Andriamanitra . Fa na dia ny fahafatesana aza no lalana izoran’ny olona noho ny fahotany dia fiainana kosa no tanjon’Andriamanitra (2 Tim 2.11-13)

Fanontaniana :

Inona no efa fiovanao manoloana Ilay tsy miova ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV