Zoma 19 Febroary 2021

1 JAONA 2.14-17

Ny olona manana ny Tenin’Andriamanitra

1-Manaiky an’Andriamanitra Ilay mandrakizay

« nanoratra taminareo ray aho , satria efa nahalala ilay hatramin’ny voalohany ianareo » (and14 a)

Ampiasain’i Jaona ny sikajin-taona ( ny ray , ny zatovo, ny ankizy ao amin’ny ankohonana entina ilazana ny fitomboana ara-pinoana. Manomboka amin’ny fahazazana , mandalo amin’ny fahatanorana ary tonga olon-dehibe amin’ny finoana . Ny fahalehibiazana ara-pinoana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra dia ny fahatongavana amin’ny fahalalana an’Andriamanitra . Tokana amin’ny fahafenoany tsy manam-pahataperana sy mandrakizay . Tsy avy hatrany dia lehibe amin’ny finoana ny olona fa misy dingana arahina miandalana mba hitomboana amin’ny finoana an’ Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

2-Mandresy ny faharatsiana

« …mahery ianareo ary mitoetra ao anatinareo tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy… » ( and.14)

Ny tenin’Andriamanitra dia tsy tokony hijanona hatreo amin’ny fahalalana ihany fa tokony hitoetra ao antsaina sy ao am-pon’ny mino mba hahazoana mitondra ny fiainana mifanaraka ny sitrapon’Andriamanitra , ahazoana hery enti-mandresy ny ratsy, dia izao tontolo izao sy ny filan’ny maso ary ny filan’ny nofo izany. Ny olona manana ny tenin’Andriamanitra, dia Ilay Jesoa Kristy tonga nofo , ihany no manana hery entina miady sy mandresy ny herin’ny faharatsiana amin’ny endriny maro samihafa. Koa raha hiady amin’ny herin’ireo karazana faharatsiana sy filana isan-karazany ianao dia tehirizo ny tenin’Andriamanitra hampandresy anao amin’izany.

Fanontaniana:

Hatraiza izao ny fitomboanao amin’ny finoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV