Alatsinainy 23 Novamb 2020.

2 KORINTIANA 4.7-11

Ny olombelona araka an’i Paoly

Miresaka ny momba ny olombelona i Paoly eto : ny fahitany ny tenany eo amin’ny asa fanompoana an’ Andriamanitra . Aminy dia miaraka kokoa amin’ny olombelona rehetra ny kristiana satria :

1-Malemy (and7)

« vilany tany  » no iantsoan’i Paoly ny tenany . Izany vilany tany izany dia ho enti-milaza fitaovana fampiasa andavanandro : anisan’ny malemy ,mora vaky, mora simba . Ohariny amin’izany ny tenany , izay manompo an’ Andriamanitra ,manao ny asan’ Andriamanitra . Ny vilany anefa eo amin’ny asany andavanandro dia anisan’izay tena miasa ary rehefa miasa dia miaritra ny mafy . Apetraka eo amin’ny afo isanandro . Na malemy aa isika , dia ampiasain’ Andriamanitra matetika ary anisan’izay tena miaritra zavatra mafy tokoa. Azon’ Andriamanitra ampiasaina ny mino na dia malemy aza .

2-Isehoan’ny Voninahitr’i Kristy (and10,11)

Ilay vilany tany , raha ny maha-izy azy amin’ny maha-malemy azy dia toa tsinotsinona akory . Io vilany tany io anefa , rehefa lasan’Andriamanitra , ampiasain’Andriamanitra , iasan’Andriamanitra dia afaka hanehoana ny Voninahitr’i Jesoa Kristy . Tsy ilay maha-malemy azy no inona akory , fa ilay fahasoavan’ Andriamanitra miasa amin’ny vilany tany ka ahafahan’,Andriamanitra maneho ny voninahitry ny zanany . Meteza araka izany na dia malemy aza mba hampiasain’Andriamanitra ho enti-maneho ny Voninahiny , maneho ny maha-Izy Azy an’i Jesoa Kristy zanany .Voninahitra lehibe atafin’Andriamanitra ny kristiana izany.

Fanontaniana :

Amin’ny inona avy no isehoan’ny voninahitr’i Kristy eo amin’ny fiainantsika andavanandro ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV