Alarobia 14 Oktobra 2020

1 KORINTIANA 16.13-18

Ny mpino tsara fiambenana

1-Mitahiry ny finoana

« Miambena hianareo , tomoera tsara amin’ny finoana . Aoka hitomban-dahy , mahereza » (and13)

Baiko sy fampitandremana nomen’i Paoly Apostoly ny kristiana tao Korinto mba hiambina manoloana ny korontana , fahadisoam-pinoana, fanaovan-dratsy ary ny fiavonavonana izay nisy tao . Mitaky fahamatorana ara-pinoana avy amin’ny kristiana tsirairay mba hahafahana mandresy izany ny dikan’ny hoe : « hitomban-dahy« . Koa manoloana ireo olana samihafa izay mitranga eo anivon’ny Fiangonana dia mila miambina ny kristiana tsirairay , ho lehilahy sy vehivavy lehibe amin’ny finoana ka mahalala tsara ny foto-pinoan’ny Fiangonana araka ny fahamarinana ao amin’i Kristy . Koa miambena , tehirizo hatrany ny finoana .

2-Miasa amin’ny fitiavana

« Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana » (and.14)
Nisy fizarazarana sy fitsitokotokonana ny kristiana tao Korinto. Nanamafy ny tokony hiainana ny fitiavana eo amin’ny samy mpino kristiana i Paoly Apostoly mandritry ny fotoana iambenana mba tsy ho latsaka ao anatin’ny faharatsiana. Ho lasa herisetra ihany ny fahamatorana amin’ny finoana raha tsy misy fitiavana. Araka izany, ny mpino miambina, lehibe sy matotra ara-pinoana dia manompo an’Andriamanitra amin’ny fitiavana fa izany no ankasitrahin’ Andriamanitra. Koa miambena araka ny fitiavan’i Jesoa Kristy.

Fanontaniana :
Inona avy ireo efa nataonao hianana ny fiambenana ? Inona no tsy nety tamin’izay ?

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV