Alatsinainy 12 Oktobra 2020

ASAN’NY APOSTOLY 13.6-12

Ny olona feno ny Fanahy Masina

1-Sahy manambara ny fahadisoan’ny hafa

« Ialahy feno fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra , zanaky ny devoly sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra » (and10)

Rehefa feno ny herin’ny Fanahy Masina iPaoly dia tsy nisalasala nilaza tamin’ny fahasahiana ny faharatsian’i Barjesosy mpamitaka, fetsy , mpanohitra sy mpamilivily ny teny fahamarinan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy . Noho ny herin’ny Fanahy Masina tao aminy no nahasahian’i Paoly niteny tahaka izany . Araka izany , rehefa itoeran’ny herin’ny Fanahy Masina ny olona manana fahasahiana hanambara ny faharatsian’ny hafa , indrindra ny fahavalon’ny Filazantsara . Koa mangataha amin’Andriamanitra sy Jesoa Kristy mba hanomezany anao hatrany ny Fanahy Masina hanana fahasahiana hanambara ny fahadisoan’ny hafa.

2-Sahy manambara ny loza hanjo ny hafa

« Ary , indro ankehitriny ny tànan’nyTompo hamely an’ialahy dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha » (and11)

Noho ny herin’ny Fanahy Masina , izay niasa tao amin’i Paoly dia niteny tamin’ny fahasahiana izy fa ho tonga jamba i Barjesosy , ary ny tànan’Andriamanitra izay midika ny heriny sy ny fanatrehany no hahatonga izany . Dia tonga taminy izany loza izany . Marihana fa efa nihatra tamin’iPaoly izany fony izy mbola nanohitra ny Fiazantsara . Araka izany , ny olona izay manohitra ny Filazantsara dia hain’Andriamanitra ny manajamba azy mba tsy hahitany ny fahatsaran’ny fahazavan’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy . Koa angataho ny Fanahy Masina hitoetra ao aminao hatrany , hanananao fahasahiana hilaza loza vokatry ny tsy finoana amin’ny hafa ianao.

Fanontaniana :

Inona ny fahasahiana anananao vokatry ny asan’ny Fanahy Masina ao anatinao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV