Alarobia 09 Septambra 2020.

MATIO 21.23-31

1-Feno faharatsiana ny olona rehetra

Naniraka ny zanany roalahy hiasa ho azy ny raim-pianakaviana iray. Rehefa izany dia nandà ny iraka avy hatrany ilay voalohany , raha mody nanaiky kosa ny faharoa . Tsy mitovy izany valiteny izany raha jerena maimaika nefa rehefa dinihana tsara dia tena mitovy ny nataon’izy roalahy ireo satria maneho tsy firaharahana ilay rainy mihitsy ilay nandà. Nody nanaiky fotsiny nefa mpandainga ary tena mpihatsaravelatsihy tsotra izao ilay faharoa . Izany no ilazana hoe : mitovy ny olona rehetra , ratsy avokoa satria raisintsika ho solotenan’ny olona rehetra manoloana ny iraka ampanaovin’Andriamanitra ireo zavatra nataon’izy mirahalahy ireo .

2-Samy manana izay tena ao am-pony koa anefa ny olona

Ambara eto fa tsy mitovy kosa ny ao am-pony sy izay vokatr’izany teo amin’ny asa nataony . Ny voalohany izay sahy nandà mivantana mantsy dia nanenina tamin’izay vitany : indro izy nahatsiaro ny fahadisoany , nibebaka tamin’ny fahotany ka resy lahatra hankato ny tenin-drainy . Ny faharoa kosa dia efa nanamafy fo hatramin’ny farany , tsy nihevitra hiova velively . Raha ny marina anefa dia nitovy ihany ny teny sy ny iraka nataon-drainy tamin’izy mirahalahy ieo , mitovy ny fitiavan-dainy azy ireo fa ny ao am-pon’izy ireo mihitsy no samy hafa . Ny iray dia nibebaka amin’ny faharatsiany fa ny faharoa kosa vao mainka mandroso amin’ny ratsy nofidiny . Omena antsika izao teny izao mba hiheverantsika ny tenantsika satria andrasan’ny Tompo hahatsiaro ny fahadisoany ka hibebaka amin’izany avokoa ny mpanota fa tsy handroso ho amin’ny faharatsiana mandrakariva .

Fanontaniana :

Marina ve fa ratsy avokoa ny olombelona ?Inona no atao manoloana izany ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV