Alarobia 05 Aogositra 2020

DANIELA 6.17-25

Nisy  zavatra roa niady  tao an-tsain’ ny mpanjaka teto :

Andaniny , ny fahitany  ny finoana  sy fatokian’iDaniela an’Andriamanitra  izay ivavahany sy inoany fa afaka mamaha ny olana rehetra manjo  azy .

Ankilany  , ny liona : fantany  loatra izay hataon’ny liona raha mahita olona . Tena sarin’ny fahafatesana ny liona . Teo anatrehan’ny fandatsahana  an’I Daniela  tao an-davaky ny liona  àry  dia niteny  izy hoe : “ “ny Andriamanitrao anie hamonjy anao” , nefa niteny izy hoe : “moa mahavonjy  anao  tamin’ny liona va ny Andriamanitrao?” .

Fihetsika  sy fitenin’ny olona  tsy mino an’Andriamanitra  izany. Tsy mahagaga  moa izany  satria olona hafa  firenena  iDariosa  fa tsy  mpino an’ Andriamanitra velively . Manoloana izany , moa mahavita  miaro  ny  olony  tokoa ve Andriamanitra manoloana ny  zava-doza manjo  azy  ireo  ? Eny  , miaro  sy  mamonjy  ny  olona tokoa Izy ho an’izay  :

Marina eo  anatrehan’Andiamanitra  sy ny olona

Na ahoana na ahoana herin’ny liona (ny fahafatesana ) hivonona  hamono  ny olona  dia ambara  eto  fa manana vahaolana amin’izany Andriamanitra ho an’ny olony izay marina eo anatrehany  sy marina eo anatrehan’ny olona .

Mino  an’Andriamanitra

Tsy mandeha ho azy  anefa izany  fananan’ny  olona  fahamarinana eo anatrehan’Andriamanitra  izany  raha tsy mifandray tanteraka Aminy  aloha ny olona . Izany hoe : mino  , matahotra , manompo , mivavaka , mahatoky  Azy  amin’ny fiainany  sy ny ataony rehetra .

Fanontaniana :

Azon’ny kristiana atao  ve ny miaina amin’ny fahamarinana sy mino  an’Andriamanitra tanteraka?

Sampana  Sekoly  Alahady FOIBE  FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV