Alakamisy 02 Jolay 2020.

ROMANA 6.20-23

Ato amin’ny Rom 6.dia manoro làlana ny mpino i Paoly ny amin’ny fomba ho enti-miady sy mandresy ny fahotana.Eto amin’ny and 20-23 dia mampahatsiaro i Paoly fa efa tsy andevon’ny ota intsony izay ao amin’i Kristy . Noho izany :

1-Tandremo sao miverina ho andevon’ny ota indray (and20)

« Fa fony mpanompon’ny ota ianareo... » hoy i Paoly .Izany hoe : zavatra efa laa no lazainy , ny lsan’ireo kristiana tao Roma raha mbola tsy nandray ny Filazantsara ka nilona tamin’ny fiainana adala sy niliba tamin’ny fahotana , nandeha araka ny sitrapony satria nanana fahafahana baranahiny , ary tsy an’Andriamanitra fa nihevitra ho tompon’ny tenany sy afaka nanao izay tiany rehetra .Fa rehefa nandray an’i Kristy kosa dia niova Tompo , tsy ny sitrapon’ny ota intsony no mibaiko fa efa Jesoa Tompo .Mitaona antsika mba hitandrina izany ka hihazona ny maha- an’i Kristy , mba tsy hiverin-dàlana ho mpanompo na andevon’ny ota intsony fa efa nafahan’i Kristy noho ny fahasoavany.

2-Aoka hiaina amin’ny fahamasinana hatrany (and22)

« …dia manana ny vokatrareo ho amin’ny fahamasinana , ary farany dia fiainana mandrakizay« , hoy ny filazan’i Paoly azy raha milaza kosa ny ankehitrin’ny Fiangonana tao Roma. Asongadiny amin’izany fa tena asan’Andriamanitra ny nanafaka azy ireo ka nahatonga azy ireo ho mpanompon’ Andriamanitra , ary tokony hifanaraka amin’izany ny fiainany , ho fiainana feno fahamasinana, ho fiainana voatokana ho an’ Andriamanitra , fiainana tsy te-hiherika fahotana intsony , ho rikorikom-pahotana mihitsy .Mitaky fiambenana izany mba tsy handrorona hihosim-potaka indray (2 Pet 2.22) .Ampianarin’i Jesoa an’izany rahateo isika tahaka ilay lehilahy efa nositraniny (Jao 5.14)

Fanontaniana:

Inona àry ny tokony hatao mba tsy hianjerana amin’ny fahotana indray?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV