Alahady 21 Jona 2020.

2 KORINTIANA 13.11-14

« Farany , ry Rahalahy , mifalia , aoka ho tanteraka ianareo , mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo » (2 Kor 13.11)

Fahatanterahana ao amin’ny Tompo

« Aoka ho tanteraka ianareo , hoy i Paoly . « Miezaha ho tonga lafatra » (DIEM) . Inona ary ny dibgaba hahatrarana izany ?

1-Mifampahery

Zava-dehibe amintsika ny fifampaherezana , satria fiheverana sy fanampiana izay reraka sady hafatra efa nataon’i Jesoa ihany koa izany . « ...Rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao » (Lio 22.32)

2-Miray saina

Toetra iray mampiavaka ny olona nandray ny Tompo ny fiombonan-tsaina , satria iray ihany ny loha dia i Jesoa Kristy Tompo. Kendrena amin’izany ny hitovy tanjona sy sitrapo amin’Ilay mpitarika . Ny mifanohitra amin’izany dia ny fisarahana , izay avy amin’ilay ratsy.

3-Mihavana

Ny firaisan-tsaina eo aloha no mitarika ho amin’ny fihavanana , satria izany no tady mamatotra ho amin’ny firaisan-tsaina . Ny fihavanana no endrika hita mason’ny firaisan-tsaina.

Fanontaniana :

Efa tanteraka ao aminn’y Tompo ve ny fiainanao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV