Talata 26 Mey 2020.
NOMERY 24.1-9
Ny olona iasan’ny Fanahin’ Andriamanitra
Natahotra ny Zanak’Israely i Balaka mpanjakan’i Moaba ka indro niantso an’i Balama mba hanozona ny Israely .Heverin’i Balaka fa izany no fomba handreseny an’Israely .
1-Manaraka ny sitrapon’Andriamanitra
Hanozona an’Israely no niantsoan’iBalaka an’i Balama .Nanao ny fomba rehetra handresen-dahatra an’i Balama izy mba hahatanteraka ny fikasany .Mazava tsara anefa ny fanambarana nataon’i Balama fa izay asain’Andriamanitra ambara ihany no ataony (Nom 22.18).Nahariharin’Andriamanitra tamin’i Balama , fa firenena voatahy Israely (Nom 22.12) . Araka izany ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hanononan’i Balama fitahiana ho an’Israely (Nom 23.19-20).Notanterahiny tokoa izany sitrapon’Andriamanitra izany (Nom 24.1).
2-Manambara ny Tenin’ Andriamanitra
Noho ny Fanahin’Andriamanitra niasa teo amin’ny fiainan’i Balama dia nambarany fa nandray ny Tenin’Andriamanitra izy , Tenin’Andriamanitra mahakasika ny fiainan’ny Zanak’Israely .Naharihariny ny mampiavaka ny Zanak’ Israely (and5) sy ny fitahiana izay nomanin’Andriamanitra ho azy ireo .Teny milaza zava-tsoa ho an’ny olona no nambarany noho izany.Tsarovy fa rehefa miasa ao anatin’ny olona ny Fanahy Masina dia milaza zavatsoa sy fiainam-pitahiana avy amin’Andriamanitra izy .Meteza àry ianao hotarihan’ny Fanahy Masina ka hilaza zavatsoa ho an’ny manodidina anao.
Fanontaniana:
Mety ve ny manozona olona heverina fa fahavalonao? Nahoana ?Inona àry no tokony hatao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM