Sabotsy 18 Janoary 2020.

ISAIA 54.11-17

Ao amin’ny fizarana faharoa amin’ny bokin’Isaia mpaminany ny Tompo dia mampanantena fanarenana indray ny vahoaka lasan-ko babo . Koa ny hafatra entin’i Isaia faharoa dia mampahery indrindra satria hita taratra ao fa:

Tian’ Andriamanitra Jerosalema ka:

1-Vonona hanorina sy hanarina azy indray Izy( and 11,12)

Any am-pahababoana ny vahoakan’ Andriamanitra mahatsiaro ho tsy misy mpijery , mahatsiaro ho efa torotoro , kanefa ao anatin’izany , indro ny Tompo maneho ny fahavononany hanarina azy ireo indray. Sary an’ohatra no entin’ny Tompo maneho izany fahavononany izany eto (and11,12).Tia antsika vahoakany ny Tompo , tsy adinony isika ary tsy ataony vato latsaka an-kady.

2-Vonona hiantoka ny ho aviny Izy (and 13)

Tsy ny ankehitrinin’ny olony ihany no efa aorin’ Andriamanitra indray sy areniny , fa hatramin’ny taranaka no efa ambarany sahady fa » ho be ny fiadanan’ny zanakao« .Izany hoe: ny ho avy mihitsy no efa voatsinjon’ny Tompo mialoha sahady . Mitaona antsika hametraka fitokisana amin’ Andriamanitra izany , fa fiainantsika manontolo na ny lasa na ny ankehitriny na ny ho avy dia efa tsinjoviny .

3-Vonona hampandresy azy Izy (and15,17)

Manome toky ny toky ny vahoakany Andriamanitra eto , fa na dia manam-pahavalo aza izy ireo dia Izy mihitsy no miantoka ny fandresena sy fiarovana azy. Ho lavo eo anoloan’ny olona ny fahavalony , ho ringana izy ireny , ary ataon’ny Tompo mandamoka ny tetika rehetra nomanin’ny fahavalo .

Fanontaniana:

Inona no mbola mampisalasala anao ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra anao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV