Alarobia 08 Janoary 2020.

Mahery ny tàna-maherin’ny Tompo

JAONA 10.24-30

Maneho ny maha-Mesia Azy Jesoa.

1-Na dia misy aza tsy manaiky azy

Nitady izay fomba rehetra hiampangana an’ i Jesoa ireo Jiosy sy iza rehetra tsy nanaiky Azy. Nitangorona ireo ka nanontany an’i Jesoa indray, raha Izy tokoa no Kristy. Ny hoe:Kristy dia avy amin’ny teny Grika anankiray izay dikan’ny teny Hebreo hoe: Mesia na voahosotra. Tsy noho ny fitiavana hahalala ny marina momba an’ Andriamanitra no antony nanontanian’ireo Azy fa mba hahafahana mitora-bato Azy. Ny nantenain’ny Jiosy mantsy dia ny Mesia hanafaka azy amin’ny lafiny politika fotsiny . Toa mifanohitra amin’izany anefa no hitany , satria i Jesoa dia tonga tamin’ny fanetrentena rehetra. Ary izany no mampisalasala azy ireo . Ny tsy finoana no mahatonga ny olona tsy hanaiky Azy ho Tompo.Tsy mahafoana ny maha-Mesia an’i Jesoa akory ny fisian’ny olona tsy mino Azy.

2-Amin’ny alalan’ny asa sy ny fampianarana

Ampy hanambara ny maha-Mesia an’i Jesoa ny asa notanterahiny . « Ny asa izay ataoko amin’ny Anaran’ny Raiko no manambara Ahy« (and25). Nolazain’i Jesoa fa efa matetika Izy no nanambara ny maha-Mesia Azy, manaiky Azy rahateo .Ireny dia lazainy fa tsy mba isan’ny ondriny , satria tsy mihaino ny feony . Ny hoe: »mihaino« dia midika hoe:mihaino ny sofina , sady mandray am-po ,izany hoe: mino Azy . Izay manaiky Azy sy mandray ny fampianarany no antsoiny hoe:ondriny . Arovany nyondriny ka tsy misy maharombaka zy eo an-tànany .Raha tena Azy tokoa isika dia hihaino sy handray ny fampianarany ary hanaiky fa Jesoa no Tompo.

Fanontaniana:

Hazavao araka ny hevitrao ny Jao 10.26

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV