Zoma 13 Desambra 2019.

Fandalinana ny Filazantsara araka an’i MATIO

Matio 3.1-17

Ny fanompoan’i Jaona mpanao batisa no hitantsika eto :

1-Ny maha-izy azy an’i Jaona (3.1-6)

i Jaona dia olona miavaka na amin’ny fitafiany na ny sakafony . Ny fahadiovana sy ny fahatsorana no asehony amin’izany . Ny fanjakan’ Andriamanitra no toriny . Milaza ny vanim-potoana vaovao hiatrehana fa Izy no Mpanjaka ka mila haverina Aminy koa ny olony toy izay nataon’i Elia .

2– Ny vontoatin’ny hafatr’i Jaona (3.7-12)

Ny hafatr’i Jaona dia mazava : vanimpotoana vaovao , mitaky fiainana vaovao ka ny fibebahana (fiovana fo sy saina ary fiainana) sy ny batisa ny famantarana lehibe amin’izany. Ivantanan’ny hafatra ny sarambabe ,ny mpitarika ara-pivavahana izay mafy hatoka (Fariseo sy ny Sadoseo) sy nomena hafatra mavesatra hampiova azy. Indrisy tsy mamokatra !

3-I Jesoa tao Jordana (3.13-17)

Niahotra i Jaona ny hanao batisa an’i Jesoa. Ny batisan’i Jesoa anefa eto dia làlana amin’ny fanatanterahana ny fahamarinana rehetra momba ny maha-Mesia Azy (Sal 2.7/ Isa 42.1) . Manatrika feno ny maha-Izy an’ Andriamanitra isika eto, eo ny Ray miteny , ny zanaka manolo-tena , ny Fanahy masina manome ny hosotra masina . Fahariana vaovao no manomboka eto .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV