Alahady 08 Desambra 2019.
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 52.1-23
Nanao topimaso miverina ny tantaran’ny fahababoana ny Tenin’ Andriamanitra eto . Marina ny teny nampitondrainy an’i Jetemia .
1-Nihodina hatramin’ny farany i Zedekia
Ny Babyloniana no nametraka ny rahalahin-drain’i Joiakima ho mpanjakan’i Joda tao Jerosalema. Novana ho Zedekia ny anarany (2 Mpanj 24.17) saingy sady nivadika tamin’i Nebokadnezara izy no nitsipaka ny Tenin’ Andriamanitra nanokatra làlana hamonjena azy sy ny mponina tao Jerosalema (Jer 21.5,7,9).
2-Nihatra taminy ny famaizan’ny Tompo
Nitady làlana handosirana i Zedekia rehefa nataon’ny Kaldeana fahirano (and7). Vokany : voasambotra izy (and 9) , ny zanany lahy novonoina teo imasony (and11), lasa babo izy sy ny vahoakany sasany, ary dia nogadrain’ny Kaldeana mandra-pahafatiny izy (and13). Rava tanteraka i Jerosalema , may hatramin’ny Tempoly (and17).
Nataon’ny Tompo teo anoloany ny fiainana sy ny fahafatesana saingy « tsy nihaino ny tenin’ny Tompo ihany koa izy » (Jer 21.8)
Hoy ny senton’i Jesoa taty aoriana be: »Ry Jerosalema , ry Jerosalema …impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny fanomban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany fa tsy nety ianareo » (Lioka 13.34)
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6