Alakamisy 14 Novambra 2019.
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 35.12-19
Ampitahaina amin’ny Rekabita ny firenen’i Joda:
1-Firenena mafy hatoka :
Nisahirana mihitsy i Jehovah satria lazaina fa nifoha maraina (and14) , naniraka mpaminany hananatra azy ireo , saingy tsy nety nihaino mihitsy izy ireo . Andriamanitra anefa no Rainy , ka tokony hankatoaviny tahaka ny nankatoavan’ny zanak’i Jonadaba ny hafatry ny rainy . Ho antsika ihany koa no mbola anontanian’ Andriamanitra hoe: « ny zanaka manaja ny rainy , ary ny mpanompo ny tompony . Koa raha Ray Aho , aiza àry izay hajako? ary raha Tompo Aho , aiza izay tahotra Ahy? (Malakia 1.6)
2-Firenena hofaizina :
Vokatry ny tsy fihainoan’i Joda ny fananarana samihafa natao azy ireo (mibebaha , ovay ny fomba fiaina, aza manompo sampy ) , dia hihatra amin’izy ireo ny famaizan’i Jehovah. Tena ho loza tokoa ny vokatry ny haniratsirana satria dia haka ny tanàna ny fahavalo , ary ho babo ny mponina . Ny Rekabita kosa nahazo teny fikasana mahafinaritra , satria voalaza fa hanompo an’i Jehovah sy hanana anjara amin’ny fanompoa-pivavahana ny taranany . Hotahiana tokoa ny taranaky ny marina (Sal 112.2/Oha 11.21).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6