Sabotsy 14 Janoary 2017

VAVOLOMBELONA MAHATOKY NY TOMPO

Malakia 2.10-16

Vavolombelon’ny ratsy ataon’ny olona ny Tompo

Vavolombelona amin’izay ratsy  sy hadalana ataontsika ny Tompo, satria momba antsika mandrakariva Izy , ka  mahita ny ataontsika . Inona avy no mety ho hitany ?

1-Mifamitaka  ny mpino  na dia « iray Ray « aza

« Tsy mpiombon-dRay va isika rehetra « (and10). Iray Ray ny mpino satria samy Zanak’ Andriamanitra , ary manonona ny hoe: « Rainay … ». Mampiasa ny teny hoe: « isika »ny mpaminany . Mahatsiaro ho anisan’ny meloka izy satria Zanak’ Andriamanitra koa, nefa nanao ratsy mamitaka ny namany . Tsy mihevitra ny rahalahiny , araka ny toromariky ny Deo 15.7-9. Vavolombelona amin’izany ny Tompo . Mandiniha fa ,na isika koa aza ankehitriny , samy mpiray Fiangonana  nefa mifankahala , tsy mahay mifanaraka , mifanenjika nefa samy miantso Azy ho Ray .

2-Manamaivana ny fahotana ratsy  indrindra ny olona

Fahotana roa no aseho eto momba ny fanambadiana . Misy  nanambady vehivavy mpanompo sampy (and11) ka voataonany hivadika finoana ary misy ireo manambady mody manao fanekena tsara eo imolotra , nefa misaraka ka lasa manambady hafa (and15-16). Fijangajangana sy fahavetavetana eo imason’ny Tompo izany nefa zary lasa fiainan’ny olona . Maro ny manao fanekena hoe:« eo imason’ Andriamanitra « , miantso Azy ho vavolombelona izany , ka tandremo fa ampy handetika antsika mpivadika.

Fanontaniana:

Raha manatrika anao eo amin’ny fitsarana ny Tompo , inona no mahatahotra anao kokoa Mpitsara ve Izy sa vavolombelona?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV