Talata 15 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 14.1-22

Lesona lehibe momba ny vavaka sy ny Tenin’ Andriamanitra no hitantsika eto.

1-Momba ny vavaka

Mirakitra tonombavaka fifonana fianatra ity toko ity . Hoy ny fivavak’ireo Israely nofaizin’ny Tompo: »Ry Jehovah ô, na dia miampanga anay aza ny helokay , miasà ihany ianao noho ny Anaranao, fa be ny fiodinanay , taminao no nanotanay » (and7).Ary koa: » Jehovah ô, tsaroanay ny faharatsianay sy ny heloky ny razanay. Fa efa nanota taminao izahay. Noho ny Anaranao dia aza arianao izahay. Tsarovy , ka aza tsoahana ny fanekenao taminay » (and20-21). Moa tsy mbola vavaka fifonantsika koa ve izany?

Fa teny manaitra koa anefa ny hoe: »Dia hoy i Jehovah tamiko: Aza mivavaka ho an’ity firenena ity hahasoa azy« (and11) . Hay ve ny Tompo mihitsy no mandrara tsy hivavaka e! Eny , mariky ny alahelo lalina sy ny fahatezerany mirehitra izany manoloana ny fifikirana amin’ny ratsy.

2-Momba ny Tenin’ Andriamanitra

Tsy izay rehetra mtory ny Tenin’ Andriamanitrahay dia marina . Fa tena misy ny tonga amin’ny lazain’ny Tompo hoe: »Tsy naniraka azy aho na nandidy azy na niteny taminy » (and14) Ahoana no hanavahana azy? Izay rehetra mitory fitahiana , nefa tsy mitaona antsika hibebaka dia mpamitaka !

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV