Sabotsy 12 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 11.1-23

Mitohy ny filazana loza mahatsiravina hanjo ny firenena Israely . Ny antony?

1-Nivadika ny fanekena Israely

Nanao fanekena taminy ny Tompo fa hanome azy tany tondra-dronono sy tantely, ary izy ireo kosa tsy hanana Andriamanitra afa-tsy Izy Tompo irery ihany , araka ny voalaza eto hoe: « Mihainoa ny feoko , ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo , dia ho oloko ianareo , ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo »(and4)

2-Vokany : tonga ny ozona!

Ho tanteraka aminy izay voalaza hoe:« ho voaozona izay olona tsy mankato ny tenin’izao fanekena izao » (and3). Mitodika amintsika koa izany eo anoloan’ireo fanekena nifanaovantsika tamin’ny Tompo : nitana ny fanekena nataontsika ve isika sa nivadika? Fa na ny vavaka aza tsy hahazoam-baliny raha ivadihana ny fanekena natao : »aza mivavaka ho an’ity firenena ity…tsy hihaino azy Aho » , hoy ny Tompo (and14).

3-Nanda ny teny nampitondrain’ny Tompo ny olona

Maharary manokana ity tranga tao Anatota ity satria tananan’i Jeremia io, saingy sahin’izy ireo ny niteny hoe: »Aza maminany amin’ny Anaran’i Jehovah fandrao matin’ny tànany ianao » (and21). Saingy moa tsy toy izany koa no nanjo an’i Jesoa tao Nazareta , tanàna nahabe Azy? (Lio 4.16,28,29).

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV