Alakamisy 10 Oktobra 2019.

Fandalinana ny Boky JEREMIA

Jeremia 9.1-25

Fampibebahana roa mafonja no omena antsika eto :

1-Ibebaho ny faharatsian’ny fifandraisanao amin’ny namanao

Mampalahelo ny filazan’ny mpaminany hoe: « izy rehetra samy mamitaka ny namany avy , ka tsy misy miteny marina . Mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa tena amin’ny fanaovan-dratsy (and4). Ary koa zanatsipika mahafaty ny lelany ka miteny fitaka . Raha amin’ny vavany , dia miteny fihavanana amin’ny namany izy , kanjo ao anatiny kosa dia manao otripo  » (and7) . Tena endriky ny fahalovan’ny fiaraha-monina sy ny firenena izany . Tsy mifampatoky intsony ny olona . Fihatsarambelatsihy ny ifandraisana . Mitaky fibebahana izany , fa tsy eo amin’ny sehatry ny mpanao politika ihany no ahitana izany fa indrisy hatreo amin’ny heverina ho samy mpanompon’ Andriamanitra aza indraindray.

2-Ibebaho ny fatokisan-tena diso toerana

Mazava ny antso avo eto : »Izao no lazain’i Jehovah : aoka ny hendry tsy hirehareha amin’ny fahendreny ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin’ny heriny . Fa izay te- hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao : dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin’ny tany , fa izany no sitrako , hoy i Jehovah (and22,23) . Mba mandre izany ve isika : »hendry » , « mahery », « manakarena » …?

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-6

Perikopa 2024

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

| | 19. PENTEKOSTA – Mpiasa Foibe FJKM
Isaia 61. 1–3 | Jaona 3. 1–8 | Asan'ny Apostoly 4. 8–12

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV