Alarobia 09 Oktobra 2019.
Fandalinana ny Boky JEREMIA
Jeremia 8.1-23
Mafy ny nahazo an’i Jeremia : »torotoro aho noho ny fahatorotoroan’ny oloko zanakavavy . Misaona aho , ary horohoro no mahazo ahy« (and21), hoy izy . Eny , mafy ny mahita ny fahavoazan’ny fiangonana sy ny firenena vokatr’izao faharatsian’ny olona mitonona ho mpivavaka sy ny mponina. Ary mainka mafy izany rehefa miseho ireto zava-droa loha ireto:
1-Tsy mety manenina ny amin’ny ratsy ataony ny olona
« Ary tsy manenina ny amin’ny haratsiany hoe: endrey izany nataoko izany . Izy rehetra dia samy mivily manakamin’ny alehany » (and6). Heveriny ho zavatra mandeha ho azy , tsy mampaninona ny fiainana ratsy ivelomany . Raha lazainy amin’ny teny hafa , maty eritreritra izy. Jereo ny manodidina antsika, fa moa tsy zavatra toy izany ve no iainan’ny olona ? Ny gazety sy ny filazam-baovao milaza loza mahatsiravina sy maharikoriko indray izao no toa irohotan’ny olona sy mahaliana azy . Ianao ve mba hamerina ny ratsy natao?
2-Tsy miraharaha Tenin’ Andriamanitra ny olona
« Indro ny Tenin’i Jehovah dia nolaviny , ka inona intsony no fahendrena ananany ? » (and9), hoy ny mpaminany . Ary izany tokoa ny Filazantsara dia milaza an’i Jesoa ho « Ilay teny tonga nofo « (Jao 1.14). Ny fandavana ny Tenin’ Andriamanitra torian sy vakina , izay mitondra amin’ny fandavana an’i Jesoa dia tsy hitondra afa-tsy fahafatesana mahatsiravina . Hevero izany !
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-6