Alarobia 18 Septambra 2019.
Fandalinana ny Boky 2 KORINTIANA
2 Korintiana 11.1-15
Milaza ny marina momba azy i Paoly . Tena Apostolin’i Kristy tokoa izy . Ny Apostoly marina dia :
1-Saropiaro amin’ny vahoakan’ Andriamanitra (and1-3)
Saropiaro amin’ny kristiana i Paoly . Tiany ho masina , voatokana izy ireo (Zak 1.14/8.2)
2-Manetry tena mba hanandratra ny hafa (and7)
Ny fitoriana ny Filazantsaran’i Kristy dia mitaky fanetretena lalina , tsy mamaky tratra ny kristiana na manery azy hanome zavatra mihoatra ny tokony ho zakany (and9).
3-Manana ny fahamarinan’i Kristy ao anatiny (and10)
Satria i Kristy , ilay marina no ao anatiny , dia manana ny fahamarinana izy . »Ary isika ao amin’ilay marina , dia ao amin’i Jesoa Kristy zanany . Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay« 1 Jao 5.20)
4-Miaro ny ondry amin’ny Apostoly sandoka (and12-15)
Tena tranga misy ankehitriny ity voalazan’i Paoly eto ity :
-Mpitory jesosy hafa (and4)
-Ireo te-hitovy amin’ny Apostoly marina (and12)
-Apostoly sandoka (and13)
-Mpiasa mamitaka(and13)
-Maka endrika ho tahaka ny Apostolin’i Kristy(and13)
-Maka endrika ho tahaka ny anjelin’ny mazava dia i satana izany (and14)
-Miova endrika ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana nefa tsy izy (and15)
Ny fiafaran’ireny dia ho ratsy fiafara tahaka ny asany ihany . Koa mitandrema!
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra« Boky faha-8