Alakamisy 18 Jolay 2019.
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 6.15-23
Tsy maintsy mahatsapa fiovana eo amin’ny fiainantsika taloha sy ankehitriny isika , rehefa nanolo-tena hiara-maty tamin’i Jesoa Kristy .
1-Ny lasantsika
Nanolotena ho mpanompon’ny fahotana (and 16-17,19.20) . Safidy ny maha- mpanompon’ny fahotana araka ireo and ireo , tsy misy ota afaka ny hangeja antsika raha tsy isika aloha no nanolotena ho azy .
Nirona tamin’ny fahafatesana (and 16.21,23)
Ao amin’ny Baiboly DIEM dia izao no andikany ny vokatry ny fahotana amin’io and16 io : » ny fahotana izay mampirona amin’ny fahafatesana dia ny fisarahana amin’ Andriamanitra .
2-Ny ankehitrinintsika
–Tonga mpanompon’ Andriamanitra (and16-17.22)
Iharan’ny asa nataon’ Andriamanitra isika , dia tonga mpanompony. Hoy ny and 22 « Ankehitriny anefa , natao afaka tamin’ny fahotana ianareo ary tonga mpanompon’ Andriamanitra « .
–Mirona amin’ny fahamarinana, fahamasinana, fahavelomana mandrakizay (and18-19.23)
Ireo no vokatra azo ankehitriny noho ny fanompoana ny Tompo . Ary miara-dàlana amin’izany koa ny fahatsapana hoe: ratsy sy mahamenatra hay ireo ota vita teo aloha (and21). Mampieritreritra ihany ny kristiana tsy mahatsapa io fiovana io (Eze 20.42).
« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-8