Alatsinainy 15 Jolay 2019.
Fandalinana ny Boky ROMANA
Romana 5.1-11
Mibanjina ny ankehitriny vao afaka mitodika ny lasa . Io no teny azo hamintinana ity perikopa ity .
1-Ny ankehitriny : ireo vokatry ny fanamarinan’ Andriamanitra antsika (and1-5)
Ny vokatry ny fahazoana fanamarinana no tanisaina lavabe manomboka amin’ny and 2 . Ireto avy izany :
-Vita fihavanana amin’ Andriamanitra isika (and 1b)
-Afaka manatona ilay fahasoavana (and 2) maha-zanak’ Andriamanitra antsika isika (Rom 3.24)
-Afaka mirehareha na dia amin’ny fahoriana aza isika (and 3)
-Manana faharetana isika (and 3-4)
-Manana toetra voasedra isika (and 4-5)
-Manana fanantenana isika (and 4-5)
-Mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra isika (and5)
2-Ny lasa: ireo porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika (and 6-11)
Efa voapetraky ny Fanahy Masina ao am-pontsika ny fitiavan’ Andriamanitra araka ny and 5. Mila porofo anefa izany , ka hoy ny and 8 DIEM : « Fa Kristy kosa maty hamonjy antsika , fony isika mbola mpanota , nahariharin’ Andriamanitra tamin’izany ny fitiavany antsika » . Ny fahafoizan’ Andriamanitra ny zanany dia i Jesoa Kristy ho faty , handatsaka ny Rany ho famonjena antsika no porofo fa tia antsika Izy . Ary « fony isika mbola mpanota » no nanaovany izany , hanehoana fa fitiavana mahagaga izany : tia ny tsy mendrika hotiavina .
« Raiso ny Tenin’ Andriamanittra » Boky faha-8